airtel

Politique

28-nov-2023

VONISON ANDRIANJATO

"Ny tokony atao no atao fa tsy izay tiana atao"

Sample post image

Matoa manao politika dia mbola manana fanantenana, fa tsy maintsy misy farany ny zavatra tsy

28-nov-2023

mety ka ho avy ny fanovana, hoy i Vonison Andrianjato, mpanao politika, efa minisitry ny serasera teo aloha no sady mpanao gazety, raha nivahiny tao amin'ny fahitalavitra Real TV izy halina. 15 taona izay nanao izay tiany natao teto i Andry Rajoelina, ary tsy nisy nahasakana hoy i Vonison Andrianjato ary hitohy foana io.Saingy tadidio fa misy farany ny zava-drehetra hoy izy, ka notanisainy natao ohatra ireo filoham-pirenena tsy refesi-mandidy ratsy fiafara toa an-dry Saddam Hussein, Omar El Bechir, Mouamar Kadhafi, Mobutu Sese Seko, Idi Amin Dada. Fa io koa anefa dia misy idiran'ny sehatra iraisam-pirenena hoy izy satria jereo izao ny ao Syrie...efa tamin'ny taona 2011 no nihotakotaka sy hoe hanongana ny Filoha Bachar el-Assad, mihoatra ny 500 000 ireo namoy ny ainy, fa mbola voatazona eo amin'ny toerany ihany ilay filoha satria arovan'i Vladimir Poutine, filohan'i Rosia. Fa raha hiverina kely amin'ny eto Madagasikara dia maro ny zavatra tsy nety teto, hoy izy ka izany no maha zava-dehibe ny fanabeazana ara-politika ny olona.Tsy voatery hoe higidragidra sy hifamono foana vao afaka ha nova. Tsy misy fahagagana fa tena fantatra ny zavamisy ary samy tompon'andraikitra. Ny tena manahirana dia ny hoe izay tiana natao foana no natao , tahaka an'io hoe Andry Rajoelina manao izay tiany io, hoy izy.Tsy izay anefa no lalana , izay tokony atao no atao fa tsy hoe izay tiana atao, hoy i Vonison Andrianjato .Izy moa dia anisan'ireo mpanentana sy mpamakafaka politika mafana fo ao amin'ny fandaharana Miara manonja miaraka amin-dry depiote isany Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Piera, izay efatra taona izao no efa nanaitra ny sain'ny rehetra ny amin'ny fomba fitantanana tsy mandeha amin'izay laoniny eto Madagasikara.Mila fahasahiana mijoro sy fandraisan'andraikitra ny fanovana izany ary ady tsy mora.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap