hoy ny isan’ny mpitarika izany vovonana izany, Guy Maxime Ralaintseheno, fa nalaina amboletra izao fitondrana izao. Hatrany am-piandohana izahay, hoy izy, no tsy mankato mihitsy izao fitondram-panjakana misy eto Madagasikara izao. Niainga tamina fanonganam-panjakana anaty andrim-panjakana ny toe-draharaha ny septambra 2023. Maro ny antsoantson’ny fanoherana avy eo mikasika ny hoe tsy feno ny fepetra ahafahantsika miroso amina fifidianana satria misy olana ny hitsara ny fifidianana, ny mpanomana ny fifidianana ary ny fomba rehetra natao nanomanana ilay fifidianana ny 16 novambra dia fantantsika hoe tsy nanara-dalàna. Eny fa na dia nisy aza kandida iray naratra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny mialohan’ny 9 novambra, izay fiodinana voalohany, dia tsy nohajaina izany, araka ny lalàna. Fanjakàna tsy ara-dalàna, nalaina amboletra izany no misy izao. Ny olan’ny fanitsakitsahana lalàna amin’ny fananan’i Rajoelina zom-pirenena frantsay dia mbola adihevitra goavana anaporofoinay hatrany ny maha tsy ara-dalàna ny fijoroan’izao fitondrana izao. Matoa taraiky ny fanendrena ireo minisitra handrafitra governemanta dia satria governemanta mafia na «mafieux» no misy eto Madagasikara. Andriamatoa Ntsay Christian dia tsy nahomby tao anatin’ny 5 taona nefa notendrena amboletra ho atao praiminisitra lehiben’ny governemanta. 1 volana aty aoriana tsy mahavita manangana governemanta iray izay hoe hihazakazaka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara nefa miha taraiky ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta. Tsy lojika izany. Misy antony ara-politika izany. Antony anatiny sy ivelan’i Madagasikara io mampihitsoka antsika io. Maro ny fanambaran’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara taorian’ny 16 novambra. Isan’ny nanao izany ny SADC, governemanta frantsay, ny vondrona eoropeanina, ny firenena mikambana. Niteny avokoa ny amin’ny hoe tsy tomombana ny fifidianana teto Madagasikara ary tokony hidinika isika hamahana ny fototr’olana politika eto Madagasikara. Minia tsy te haheno na tsy te hahafantatra izany adihevitra politika izany ny fitondrana ankehitriny. Fantantsika fa manosika any amin’ny fifandonana ara-politika izany. Raha jerena ny tantara dia ny governemantan’andriamatoa Marc Ravalomanana, lany tamin’ny fifidianana 2007, 2 taona taorian’izay dia nisy ny fanonganam-panjakana nataon’andriamatoa Rajoelina. Nanao sesintany ny tenany andriamatoa Marc Ravalomanana. Toy izany koa ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 2002. Mbola hisy hanao sesintany ny tenany indray ve aorian’izao krizy politika iainan’i Madagasikara izao? Mbola mendrika an’izany ve ny mpanao politika malagasy sy ny vahoaka malagasy miaina anatin’izao fahasarotana sy fahantrana lalina resahintsika izao? Tsy misy afa-tsy ny fihainoana ny olompirenena amin’ny alalan’ny antsoina hoe vovonan’ny olompirenena na «Sommet des citoyens» hoe inona no lalàmpanorenana sahaza ny malagasy amin’ny 2024 sy ny aorian’ny 2024? Inona no lalàm-pifidianana mety? Ahoana no hahafahan’ny olompirenena misitraka ny harem-pireneny? Mila henoina anaty laobary an-dasy ny olompirenena ary ny famoahana tsoa-kevitra anatin’izany no hahafahantsika miroso any amin’ny tena fampandrosoana, hoy hatrany ny Diovy i Madagasikara.
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…