airtel

Politique

05-juin-2024

Vovonana Firaisankina

« Betsakany hosoka, hijoro hiaro ny safidim-bahoaka… »

Sample post image

Tonga nivantana teny amin’ny Foiben’ny CENI teny Alarobia ireo lohandohan’ny mpisorona eo

05-juin-2024

anivon’ny Vovonana Firaisankina omaly, nahitana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny Minisitra teo aloha Paraina Auguste, ny Mpandrindra Nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao, ny Mpisolovavan’ny Vovonana, ireo kandida sasany. Niantso ny tena hisian’ny fahaleovantenan’ny CENI ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana, ka tsy hanodinkodinana ny safidim-bahoaka izy ireo. Tanjona mantsy raha ny nambaran’ny Firaisankina ny hisian’ny filaminana aorian’ny fifidianana no tanjona. Notsikafonin’io vovonana io rahateo, fa maro ny kandida voa tamin’ny fanodinkodinana vato sy fanovana PV, ka tsy maintsy atsangana ny Vovonana miaro ny safidim-sahoaka misokatra amin’ny rehetra na mpanohitra na tsy miankina, raha ny nambaran’Atoa Paraina Auguste. Ity farany izay nanamarika fa tsy havela irery hanjaka tokana ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fitondrana. Miandry ny fandraisan’ny HCC sazy hentitra eo anatrehan’ny fandikan-dalàna samihafa ihany koa ny Firaisankina. Nisy moa ireo kandida tonga nanao fampitahana ny fitanana an-tsoratra na « confrontation », toy ny avy amin’ny Boriborintany Voalohany notarihin’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, izay naneho fa atao izany mba hivoahan’ny tena marina. Naneho ihany koa ny kandidan’ny Firaisankina ao Amparafaravola, fa niova tanteraka ny voka-pifidianana tao anatin’ny fahatapahan-jiro ny zoma lasa teo, tamin’ny 10 ora alina hatramin’ny 3ora maraina. Niova ny tarehimarika, ary ny kandida nitarika dia ny Firaisankina nitsimbadika resy amin’ny elanelam-bato 172, raha ny nambarany. Betsaka, hoy izy, ny kosikosiko sy fanovana ny fitanana an-tsoratra na PV. « Tsy ekena ny fanodinkodinana safidim-bahoaka, ary tsy mila vaniny izahay raha mitaky fanaovana fampitahana ny PV na « confrontation » fa ny famoahana ny tena safidim-bahoaka », hoy ny mpisolovava ny Firaisankina Me Eloi Ratefimahefamijoro. Tsy teto an-dRenivohitra ihany, fa efa niaraha-naheno ny fanambarana tany Faratsiho izay efa nitsangana ny KMSB na Komity Miaro ny Safidim-bahoaka. Raikitra ihany koa tany Antanimalandy Mahajanga ny antso avo ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila sy fanajana ny safidin’izy ireo. Vao misy zavatra mitongilana dia tsy hanaiky izahay vahoaka, aoka ny fifidianana hilamina, iny ny safidinay, leo tanteraka ny fitapitapitaka sy ny laingalainga izahay, hoy izy ireo. Misy tonga hatrany amin’ny fidinana toy ny tany Ambatofinandrahana,… Manomboka mihamafy noho izany ny fanoherana ny mety ho teti-dratsy samihafa hoenti-manatsimbadika voka-pifidianana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap