airtel

Politique

20-nov-2024

Zaza Ramandimbiarison

«Izay adala no toa an-drainy!»

Sample post image

Izay adala no toa an-drainy, hoy ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison!

20-nov-2024

Ento miakatra any amin’ny mazava ity firenena ity, hoy izy! Tonga indray ity fotoana hanaovana propagandy. Eo anivon’ny firenena iray dia misy foana ny olona hendry sy manam-panahy, misy ny adala, misy ny manana fahaizana, misy ny mbola mianatra , misy ny manana fahazavan-tsaina. Misy ny miezaka sy manao izay fara hery hanao tsara kokoa, misy ny miandry mahazo fotsiny sy ny maro samihafa. Matetika nefa dia “Ny adala matoky tena foana fa ny olona manan-tsaina misalasala indraindray. ”. Raha jerena tsy mitongilana sy ampanetre-tena ny fiantraikan’izany zava-misy izany eo amin’ny fiaramonina malagasy dia lasa “Olana izany zava-misy izany” eo amin’ny fampandrosoana an’ity tanindrazana iombonana ity, indrindra, eo anivon’ny tontolo politika satria ny fahatokisan-tenan’ny mpitondra be loatra dia mety hanosika azy hanao fanampahan-kevitra tsy hamaly ny laharam-pahamehana sy ny tombontsoan’ny maro. Iaraha-mahalala fa samy manana ireo olona mpiaradia aminy ny politika malagasy tsirairay. Sady matoky tena be loatra nefa manana ny fahavalony koa izy ireo. Faly ny mpanao politika rehefa tsy mivadibadika ireo mpiaradia aminy nefa mitombo kosa ny fankahalana rehefa mivadibadika ka manimba ny fifampitokisana satria ny sasany manohy ny adalany, ny sasany misalasala dia tsy misy firaisankina hiasa ho an’ny tombontsoa ankapoben'ny vahoaka malagasy ny vokany. Mahafinaritra ny maheno ny antso ho an’ny firaisankina hiasa toy ny nataon’ny kandida tia ny tanindrazanany. Amin’izao fotoana izao, ny ankabeazan’ny malagasy dia efa nahatakatra fa ny antson’ireo mpitarika mpanao politika sasantsasany dia tsy praograma politika entina hamoahana ny maro an’isa amin’ny fahantrana izay iainan’izy ireo. Raisin’izy ireo ho tohin’ny politika izay mandoka ny vahoaka fotsiny mba hahazoana ny fony sy ny fanohanan'izy ireo ny antson’ ireo mpanao politika ireo satria tsy fantatra mazava hoe inona no anton’izany antso izany? nahoana? na ho an’iza ary ahoana ny fomba hitondrana ny firenena na ny kaominina? Hanatsarana ny fiainan’ny malagasy ary indrindra rehefa vitsy dia vitsy ny olona mpanao politika tena niheritreritra marina sy nampiseho fa miasa ho an’ny hoavin’ny taranaka. Efa tonga amin’ny toerana ambany indrindra sady maizina i Madagasikara angamba ka ny hany lalana azo aleha dia miaraka miakatra fa tsy ny sasany miakatra, ny sasany misintona midina indray. Tsy tokony hisalasala intsony fa fotoana izao, ho an’ireo manam-panahy, hampivondrona ny adala na ny hendry, na nianatra na tsy nahavita fianarana sy maro izay tsy voatanisa, amin'ny firosoana mankany amin’ny mazava any ambony. Tsy misy mihaino intsony ny antso sy ny teny fandrebirebena ny saim-bahoaka noho ny adalana avy amin’ny fahatokisan-tena be loatra. Manana ny lasany ny tsirairay teo amin’ny fifandraisana amin’ny maha mpiray tanindrazana. Noho ny zava-mitranga eo amin'ny tontolo politika na eto an-toerana na ny any ivelany dia tokony haneho ny fahavononany ny tsirairay, tsy misy fisalasalana, hanafoana tanteraka ny lasany ary hiaina miaraka ao anatin’ny fiarahamonina madio amin’ny alàlan'ny fifampitokisana mba hamadihana ny pejy ary hanombohana ny fanoratana pejy vaovao ho an'ny hoavy manomboka izao. Ny andrasan’ny maro dia mpanao politika tsy hibanjina fotsiny ny fomba mba handresena amin’ny fifidianana manaraka fa hibanjina ny hoavin’ny taranaka fara-mandimby marina eo amin’ny andraikitra ho raisiny mba hiadanan’ny ambany ny lanitra. Izay adala ihany no toa an-drainy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap
20-nov-2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

Card image cap