airtel

Sarisary

03-juil-2024

Fidangan’ny vidim-piainana

Miantso ny fanatanterahana ny tenin’ny minisitra ny MCI

Sample post image

Nisy ny fifampiresahan’ny banky iraisampirenena sy ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo tamin’ny herinandro,

03-juil-2024

hoy ny Hetsiky ny olompirenena manohitra fidangan’ny vidim-piainana na MCI, ny amin’ny hoe vinavina hampiakarana 200 Ariary ny vidin-tsolika. Fantantsika fa nisy ny findramam-bola ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny antsoina hoe FED, izay mitentina eo amin’ny 331 tapitrisa Dolara eo. Tsy azon’i Madagasikara io raha tsy misy ny fifanarahana amin’ireo mpametra-bola amin’ny fampiakarana vidin-tsolika. Midika izay fa latsaka an-katerena ny firenena. Porofo ihany koa izay fa misy hery lehibe mangeja ny firenena. Miteny nefa ny minisitry ny fitantanam-bola fa hisorohana ny fampiharana ny atao hoe «vérité des prix» na vidiny tena izy takian’ny tahirim-bola iraisampirenena dia nanapa-kevitra ramatoa minisitra hamatsy vola ireo mpandraharaha ara-tsolika ireo mba hisorohana izany fiakaran’ny vidin-tsolika izany hisorohana ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana. Amin’ny maha mpiaro ny zon’ny mpanjifa anay dia hoy izahay hoe aleo ezahina ny tsy hisian’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Raha hiakatra indray ny vidin-tsolika dia hisy indray izany ny mety ho fiakaran’ny vidim-piainana satria miankina amin’ny solika daholo na ny fitaterana na ny filàna rehetra ankapobeny. Vahaolana, noho izany, ny fanatanterahana ny tenin’ny minisitry ny tetibola hoe vatsio ireo kaompanian-tsolika ireo satria efa mandoa ny hetrany ny mpanjifa malagasy. Amin’ny alalan’ny atao hoe FER izany. Amin’ny alalan’ny fandoavana JIRAMA sy hetra hafa isan-karazany. Rariny, noho izany, izahay mpiaro ny zon’ny mpanjifa raha mitaky ny fanamafisana izay voalazan-dramatoa minisitra amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny famatsiana ireo kaompanian-tsolika hahafahany manenjika ilay elanelana na «différentiel» amin’ny vidin-tsolika tena izy sy ny trosan’ny fanjakana malagasy amin’ireo kaompanian-tsolika ireo, hoy hatrany ny MCI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique