airtel

Sarisary

16-déc-2024

Vidim-piainana

Efa manafosafo ny 4000Ar ny kilaon’ny vary

Sample post image

Ao anatin’ny vanim-potoana maitso ahitra isika izao, ary tena hita taratra amin’ny fiainam-bahoaka ny fahasahirana,

16-déc-2024

ny fidan’ny vidim-piainana,… Anisan’ny tena hahatarafana an’io ny vidim-bary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Manodidina ny 3500Ar ny tsipala sy ny stock tampo, raha efa any amin’ny 3700Ar sy 3850Ar ny makalioka sy ny vary gasy toy ny mangamila sy ny mavokely. Tena tsy mitsaha-miakatra saika ho efa isan’andro anefa io, saingy tsy tena misy ny vahaolana mahomby sy maty paika hiatrehana izany, raha ny zava-misy ankehitriny. Amin’ny lafiny iray, mety ho heverina fa misy tombony ho an’ny tantsaha ny fiakaran’ny vidin’ny vary vokarina eto an-toerana. Tena izay ve anefa ny zava-misy sa ireo mpanelanelana sy mpibizina no tena mahazo tombony ? Hosarontsaronana amin’ny fanafarana vary vahiny ratsy kalitao ? Sa hiononana amin’ny filalaovana politika dia ny filalaovana vahoaka amin’ny kizarazara kely tsy mankaiza toy io natao nialohan’ny fifidianana io ny Fitondrana. Andaniny, ireharehana mafy ny tetikasa lazaina fa hampiakarana ny famokarana kanefa mbola bizina iarahana amin’ny sinoa ihany koa. Vao ny herinandro lasa teo no nanamafisan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny hihazakazahana amin’ny fambolena ny vary safiotra sinoa na « riz hybride » hahafahana mamokatra 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ka hananantsika ambim-bava 1 tapitrisa taonina ao anatin’ny 2 taona. Io izay ambaran’ireo manam-pahaizana Malagasy maro fa mety hitera-doza ho an’ny famokarana eto na ho ela na ho haingana. Voalohany, ny vary safiotra sinoa dia tsy afaka hakana ambioka isaky ny miaka-bokatra fa tsy maintsy mividy ambioka vaovao izay hoe : tsy maintsy hisy fiankinan-doha. Faharoa, ny fambolena azy io dia mitaky fampiasana akora maro hafa ivelan’ny mahazatra izay ahiana ny hiteraka fahapotehana ara-tsimika ho an’ny nofon-tany eto hiteraka fiankinan-doha sy hiafara amin’ny tany karakaina,… Tena io ve ny vahaolana sa ny fampiharana ireo teknika sy fikarohana Malagasy, ny fitadiavana vahaolana hampihenana ny vidin’ireo fitaovana sy akora ara-pamokarana eto amintsika, ny tan-tsoroka ara-teknika sy ara-bola ho an’ny mpamokatra,… Asa tena izao tokoa ve no antsoina hoe mpitarika mendrika indrindra aty Afrika ? Mahamenatra !
Toky R
 

Dans la même rubrique