airtel

Sosialy

24-oct-2024

4 taona tsy voajery ny fikarakaràna vahoaka

«Izao misy olona manao izany dia sakananao»

Sample post image

Mazava ny fotokevitra ijoroan’ny antoko politika MFM hatramin’izay, hoy ny filoha mpiara-mitantanana izany antoko

24-oct-2024

izany, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy, hoe diovy aloha ny tokontany vao fifidianana. Misy ifandraisany betsaka izay voalaza izay, hoy izy, satria ny lalàm-pifidianana mihitsy no tsy voahaja ao anatin’ilay izy. Manahirana ny fanaovana politika eto amintsika. Tsy voadio ny tokontany. Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra ianao izany vao miheritreritra hanao asa sy manatona vahoaka. Izay no fanaovana politika eto amintsika satria efa notezain’ny mpandraharaha mpanao politika amin’ny alalan’ny vola. Tsy mampiasa ny volany izy raha tsy amin’ny fotoana ilàny azy. Ny fanaovana politika dia fitaizana vahoaka isan’andro. Tsy gaga ianao izany androany. Mahita ianao hoe misy kandida mampiseho fa mila vonjy i Antananarivo. Mila fanampiana i Antananarivo. Ny zava-misy izay mahazo ny vahoaka eny ambany tanàna dia nampiana ny firaisana voalohany, ohatra izany izao, dia nosakanana tamin’ny zava-misy nataon’ny fanjakàna. 4 taona maninjitra ianao nipetraka teo amin’io fitantanana io. Tsy voajerinao ny fikarakaràna vahoaka nandritry ny 4 taona. Izao misy olona manao izany dia sakananao. Ilay fanaovana politika eto amintsika mihitsy no manahirana. Ny fiteniny dia hoe ny olona miaraka amin’ny fanjakàna, ny ben’ny tanàna miaraka amin’ny fanjakàna no tokony ho fidiana. 4 taona maninjitra, ben’ny tanànan’ny fanjakàna no napetraka teto Antananarivo. Diso ve izany ny filazàna hoe tsy nanao na inona na inona ny ben’ny tanàna niaraka tamin’ny fanjakàna? Anjarantsika vahoaka no mitsara. Izao misy olona, kandida, tsotra, antsoantson’Antananarivo hoe jereo izahay fa sempotra dia sakanana! Tsy mety ny fanaovana politika eto Madagasikara. Efa notoherin’ny MFM hatramin’ny voalohany ny mpandraharaha manao politika satria ny fiarovany ny harenany sy ny fananany no anaovany politika amin’izao fotoana izao fa tsy finiavana hampandroso. Tsy mbola nisy hoe mpanao politika lasa mpandraharaha fa ny mpanao politika dia manao politika foana no asany satria manakaiky vahoaka isan’andro. Ny mpandraharaha dia miheritreritra fa io fandraharahana io no hiarovany ny harenany na hanaovany asa soa ho an’ny mpiara-belona. Tsy tokony hanao politika ny mpandraharaha miheritreritra an’izany ho fampandrosoana fa aleo ho an’ny mpanao politika ny fanaovana politika ary ho an’ny mpandraharaha sy mpanao asa soa ny fanaovana asa soa, hoy hatrany ny MFM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha

Card image cap
19-nov-2024

Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.

Card image cap
19-nov-2024

Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony

Card image cap