airtel

Sosialy

28-nov-2023

AKAIKY NY FETY

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody

Sample post image

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody akoho amin’izao eny an-tsena raha efa misy

28-nov-2023

mivarotra 750 Ar ireo mpivarotra sasany. Noho ny havitsian’ny atody miakatra no nambaran’ireo mpiompy avy any Mahitsy fa antony mahatonga izany. Nihenabe mantsy ny isan’ireo akoho manatody lava tonga teto amintsika nafarana avy any ivelany tamin’ny fotoana nisian’ny valan’aretina COVID 19. Mbola misy fiantraikany eto amintsika hatramin’izao izany hoy hatrany ny fanazavana azo fa tsy sanatria ny mpiompy no manararaotra. Ho an’ny eny Antohomadinika manokana araka izany dia mbola misy620 Ar ny iray amin’ny atody raha lafo indrindra. Hikarakarana mofomamy, hanaovana fangarona fanokafam-bavony moa no tena ilana ny atody rehefa ankatoky ny fety tahaka izao raha toraka izany ihany koa ny glasy. Mikasika ireo akora ilaina hafangaro aminy indray dia ny siramamy hatreto no fantatra fa tena niaka-bidibe. Tafakatra 5.200 Ar ny iray kilao eny an-tsena amin’izao raha 4.500 Ar teo aloha. Nahitana fiakarany 100 ka hatramin’ny 200 Ar ihany koa iray kilao amin’ny lafarinina eny an-tsena, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Betsaka ireo tsy afaka hanao fety amim-pilaminana intsony noho izany vokatry ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo.
Pati
Legende : Miaka-bidy sahady ny atody eny an-tsena amin’izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap