airtel

Sosialy

27-juin-2024

AKANY AVOKO AMBOHIDRATRIMO

Sady manabe no manohana ara-tsaina ny ankizy

Sample post image

Tsy mijanona ho Akany fandraisana ireo ankizy sahirana sy nahiliky ny fiaraha-monina ary niharan’ny

27-juin-2024

herisetra fotsiny ny Akany Avoko eny Ambohidratrimo fa manabe azy ireny ho olom-banona sy mampitombo fahalalana ihany koa. Miisa 181 ireo ankizy beazina ao an-toerana ankehitriny ka ho an’ireo mbola madinika dia ao an-toerana ihany no manovo fahalalana. Ho an’ireo efa afaka fanadinam-panjakana CEPE kosa dia any ivelan’ny Akany izy ireo no manohy fianarana ankoatra ireo manaraka fiofanana arak’asa toy ny fanaovam-bolo sy ny zaitra. Tanjon’ny Akany ny hanabe azy ireny ho tonga olom-banona rahatrizay tafaverina eny anivon’ny fiaraha-monina izy. Tonga nijery azy ireo manokana ireo mpikambana eo anivon’ny Trano Aro Zo etsy Andohatapenaka afak’omaly Alatsinainy 25 Jona noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Ankoatra ny fanolorana fanomezana dia nisy ihany koa ny fijerena ny fampanajana ny zon’ireo ankizy beazina ao an-toerana. Tsiahivina moa fa ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara niaraka tamin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Ministeran’ny Fitsarana no niara-nanangana ny Akany Avoko eny Ambohidratrimo tamin’ny taona 1963 tany ho any.
Pati
Legende : Misy mahatsiaro hatrany ireo ankizy beazina sy tezaina eo anivon’ny Akany Avoko Ambohidratrimo !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap