airtel

Sosialy

26-août-2024

AMBODIAMPANA BEALANANA

Renim-pianakaviana teraka kamban-telo

Sample post image

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no fantatra fa teraka kamban-telo,

26-août-2024

roavavy iray lahy afak’omaly Sabotsy 24 Aogositra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodiampana, distrikan’i Bealanana. Tao amin’ny CHRD II Bealanana no teraka ity Renim-pianakaviana ity, tranga vao sambany no niseho tany an-toerana. Fantatra tamin’izany fa zanany voalohany izy 3 mianadahy kely ireo. Ny mampalahelo anefa dia kely sy tsy ampy lanja izy mirahavavy kely raha salama tsara kosa ilay lahy iray. Mangataka fanampiana amin’ireo tsara sitra-po noho izany ity Renim-pianakaviana ity mba hifanohana aminy. Tsy maharaka ihany koa mantsy ny nonony ka tokony omena fanampin-dronono hafa izy 3 mianadahy kely.
Pati
Legende : Ireo zaza kamban-telo vao teraka sy ny Reniny !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap