airtel

Sosialy

02-juil-2024

Ambohidratrimo

Mijery akaiky ny sosialim-bahoaka ny ZAM

Sample post image

Mpitsabo 8 matihanina amin'ny fanaovana "cironcision à l'américaine"

02-juil-2024

no niantsoroka ny fanaovana didim-poitra faobe zazalahikely 119 isa teny Ambohidratrimo ny faran'ny herinandro teo. Fiaraha-miasa amin'ny fikambanana Zanak'Ambohidratrimo Marovatana (ZAM) izy ity ary tena manampy no sady manala fahasahiranana anay tokoa hoy ny raim-pianakaviana iray. Nitondra ny anjara birikiny ka nanolotra kilalao ho an'ireto zazalahy natao hasoavana ireto ny filohan'ny ZAM Rabary Hery mivady.Nifanindran-dalana tamin'ity hetsika ity ihany koa ny fanaovana fitiliananara-pahasalamana faobe, maimaimpoana momba ny goty sy ny diabeta izay aretina anisan'ny mahavoa olona maro amin'izao fotoana. Olon-dehibe 100 latsaka kely no vita fitiliana. Tsy atao resaka fotsiny fa tena tanterahana ilay hoe fitsaboana manatona vahoaka, hoy ry zareo avy ao amin'ny fikambanana ZAM ka izay no anton'izao hetsika natao teny Ambohidratrimo izao. Fa mahakasika izay sosialim-bahoaka iantsorohan'ny ZAM izay ihany dia nisy ny fanamboarana tetezana tao Tsinjohasina mba ahafahan'ny olona mivezivezy sy ny fanamboarana lalana natao "pavé" tao amin'ny fokontany Soamanety.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap