airtel

Sosialy

19-juin-2024

Ambony ambany ny firenena

Ny vahoaka fadiranovana, ny mpitondra be rendrarendra

Sample post image

Vita ny sehoseho ivelany tany Toamasina nitokanana ny tetikasa Miami izay tao anatin’ny 5 taona

19-juin-2024

vao vita niampy ny Boulevard Ratsimilaho 1,8km nanaovana serasera manaka-danitra, dia mitohy ny eto an-drenivohitra ny endrika haingo ambony tsikokoko hanarontsaronana ny fahasahiranan’ny Malagasy. Hiditra amin’ny andrana teleferika ampiana olona ny Fanjakana manomboka anio 19 jona taorian’ny fampiasana ireo « bidon jaune » raha ny serasera efa nandeha sy nampahafantarina. Lazaina hatrany fa isan’ny fanatsarana ny fitaterana an-drenivohitra, mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana, haingon’ny tanàna, mikajy ny tontolo iainana,… Efa eo aloha izany io, dia irariana mba ho afaka hisitraka izany ny rehetra satria trosa amin’ny anaran’ny Malagasy io. Nitrosana 153 tapitrisa euros na manodidina ny 800 miliara Ar. Mety betsaka ireo sehatra mety mamokatra na ahitana tombotsom-bahoaka kokoa afaka hampiasana vola noho io. Mbola betsaka ireo fanontaniana manitikitika ao anatin’izay hoe : herinaratra mahaleotena tokoa ve no hitondra azy ? Hanao ahoana ny fandaniana ? Hahaleo ny sariny ve ny vidiny ? Ao anatin’ny firipolo taona no ho voaloa ny trosa ? Misy mantsy ireo olom-pirenena manao fanamarihana fa isaky ny mandeha ny andrana teleferika dia vao mainka mihamafy ny delestazy amin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra. Vondron’olona iza sy sokajim-piarahamonina tahaka ny ahoana marina no tena kendrena hisitraka an’io amin’ity sarany manodidina ny 4000Ar isaky ny mitaingina ? Mety hoentina amin’ny hoe : safidy tahaka ny fitaterana rehetra araka ny fahatakaran’ny tsirairay io, saingy tsy azo boriboriana amin’izany satria ity dia tetikasa trosaina ary alohan’ny vahoaka amin’ny hetra isan-karazany. Maika hatrany amin’ny seho ivelany, ka adino ny tena maika sy laharam-pahamehana : toekarena mila harenina, famokarana mila ampitomboina, ny fanatsarana ny tontolon’ny angovo, ny lalàmpirenena tapitra potika, ny vahoaka indrindra ny tanora tsy an’asa ny maro an’isa,… Tsy izay anefa no mainka fa ny hoe : ahoana ny hanariana dia ny vahoaka eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy sy ny lonilony politika nateraky ny fifidianana ? Inona indray ny zavatra mamirapiratra sy manjelanjelatra hisintonana ny sainy, inona ny kifetifety azo hampirevena azy ? Ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena isika izao dia ho avy ny jiro manjelanjelatra, « show drones »,… mba hanadinodinoana anaty fotoana fohy ny fahantrana sy fahasahiranana iainana mandavan-taona, vokatry ny tsy fahombiazam-pitantanana izay navadika tany amin’ny hoe : firenena lavaka be no noraisintsika, fa izao hafainganina ny fampandrosoana. Efa firy taona no teo fa tsy hita izay natao, nisintona nidina, miharatsy hatrany ny tondro samihafa: tahan’ny fahantrana, ny toekarena, ady amin’ny kolikoly, fanjarian-tsakafo,… Ny firenena efa ambony ambany, kanefa ny mpitondra mbola be rendrandrendra. Efa tsy hiova intsony !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap