biriky izay marihina fa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Vokatry ny asa fanajariana hatao amin’iny fefiloha iny no anton’izany hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany tampoka mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nisy araka izany ny fanonerana nomena azy ireo izay fantatra ihany koa fa indray mandeha ihany, niarahana tamin’ny Produir. Manodidina ny 900 mahery eo ho eo ireo efa nahazo ny anjarany raha mbola mihoatra ny 100 kosa ireo voalaza fa mbola tsy nahazo izany. Nambaran’ny Renim-pianakaviana iray mivelona amin’io asa io ary fa tokony hisy mihitsy ny fanampiana maharitra omena azy ireo. Efa tsy mandeha firy intsony mantsy koa mantsy ity asa ity amin’izao noho ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Aleon’ireo olona manasa tsikelikely isan-kariva toy izay handoa vola amin’ny mpanasa lamba izay mahatratra 5.000 Ar isan-kerinandro raha kely raha vantany vao mitoby ny lamba maloto. Ny tena mampanahy amin’ny sehatra tahaka itony moa dia ahiana hanaotao foana avokoa ny ankamaroan’ireo olona tsy an’asa ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana akaiky. Tsara rahateo raha fintana hanjonoana trondro no omena ny olona iray fa tsy trondro avy hatrany.
Pati
Hita mibaribary ny tsy fahaizantsika malagasy, indrindra, ny mpanohitra, ny atao hoe politika tamin’ity taona 2024 ity,
Amin'izao fotoana izao, dia tsy vitsy ireo orinasa tsy miankina izay manao tolotra miavaka mba hatao fanomezana
Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy Andohatapenaka omaly Alatsinainy 23 Desambra