mponina noho ny resaka delestazy lavareny teny Ambohipo ny alatsinainy teo. Nafana ny fifandonana ary samy nisy naratra na ny mponina nalamina na ny tomponandraikitra nandamina. Nisy ihany koa ny fananana simba sy potika tao anatin'izany fifanatrehan'ny roa tonta izany. Asa hanao ahoana ny tohiny ? Niteraka adihevitra tsy nifankahitana kosa ny serasera nataon’ny CIRGN Analamanga mikasika ny grevy sy fitakiam-bahoaka manoloana ny olan’ny delestazy mandavan-taona tsy misy vahaolana. « Ry vahoaka namanay. Ny mpitandro filaminana dia miantso ny mponina. Manao fitakiana vokatry ny olana iaraha-mizaka amin'ny famatsian-drano sy jiro isika. Nitondra fanazavana mahakasika izany ireo teknisiana momba izany ary efa mikaroka vahaolana ny fitondram-panjakana. Manentana antsika rehetra: Mandoro pneus isika: misy fiantraikany amin'ny tontolo iainana izany. Misakan-dàlana isika: natao ho an'ny rehetra ny làlana ary betsaka ny te hivezivezy hampiasa izany no voasakana,… Ireo mpitandro filaminana manao ny asany maratra vokatry ny fisorohana ny hetsika mba tsy hihoa-pefy. Miteraka horohoro ho an'ireo mponina tsy manao fitakiana izany. Maro ireo te hiaina milamina reraky ny fitadiavana. Tsy ekena ny fanakorontanana fiainam-bahoaka…. », hoy ny ampahan’ny serasera. Mbola niampy aza hoe : « Sady diniho kely anie e ! Raha misy voasambotra sy atolotra fitsarana noho izany fandikan-dalàna izany: moa ve tsy hitombo ny fahasahirananao sy ny fianakavianao ? (…) Raha voatazona am-ponja anefa dia tsy hanatitra sakafo ho anao akory ireo mamporisika anao. Miantso ny rehetra hiandry am-pitoniana fa efa misy ny vahaolana efa natolotra eo ampiandrasana ny vahaolana maharitra. Namanareo ny mpitandro filaminana. Namanao ny zandarimaria. Fa tsy namanao amin'ny fandikan-dalàna.», hoy ny serasera izay tsikaritra aloha hoe : nentina tam-pitiavana amin’ny lafiny iray.
TERENA HINO FAMPANANTENANA POAKATY…
Na izany aza, tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, na mandrisika ny olona hikomy sanatria, fa misy ihany ny fandemen-tsaina ny vahoaka hifitsika sy hiaritra, ary hino ny fampanantenana poakaty lava. Safidin’ny olona ve ny handeha higrevy eny an-dalambe amin’ny ora tokony hakana aina avy reraky ny rotorotom-piainana sy ny krizy? Moa ve tena mihaino sy mamaha ny olam-bahoaka ny fitondrana ? Ny 90% tamin’ny setriny nanoloana an’io seraseran’ny mpitandro filaminana io dia kiana mivaivay. Inona izany no tokony hataon’ny vahoaka eo anatrehan’ny delestazy sy olana sosialy efa mananika ny 15 ora isan’andro sy ny tsy fisian’ny vahaolana efa miditra 5 taona faharoa raha tsy resahana intsony ny tany aloha ? Ahoana ny fihariana sy fitadiavana maro potiky ny delestazy ? Moa tsy efa famonoana vahoaka an-kolaka io ankoatra ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina ? Aiza ny Malagasy no hiantsampy ? Iza no hihaino azy ? Asa mbola misy Fanjakana tokoa ve ary raha misy Fanjakana natao hiahy sy hitsinjo ny Malagasy sa Fanjakana mpampahory sy mpampiady ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka ? Vao ny resaka delestazy io, fa ny fiainam-pirenena ankampobeny mihitsy no krizy ! Akaiky ny fifidianana, ary ny delestazy fotsiny dia efa ampy tsy hahalany ny kandidam-panjakana, raha tena fifidianana madio !
Toky R
Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha
Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.
Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony