airtel

Sosialy

07-sept-2023

ANKIDODONA II AMBATOLAMPY

Nahazo rano fisotro madio, 30 taona aty aoriana

Sample post image

Nahazo rano fisotro madio ny ao amin’ny Fokontany Ankidodona II Ambatolampy.

07-sept-2023

Tontosa omaly maraina ny fanokanana ireo paompy miisa telo sy siniben-drano iray ao an-toerana, toerana izay misy ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa STAR. Nitarika ny fitokanana ny tale jeneralin’ny STAR, Atoa Marc Pozmentier, notronin’ireo manam-pahefana teny an-toerana. Nivoitra nandritra izany fa efa ho 30 taona izao no tsy nananàn’ny fokontany Ankidodona II paompy raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambatolampy. Ankehitriny kosa dia voavaly ny hetahetan’ireo mponina amin’ny fahazoana izao foto-drafitrasa vaovao izao ka efa misitraka rano fisotro madio akaikin’ny trano fonenany avokoa ny rehetra. Namboarina manaraka ny fenitra ilaina ireto paompy ireto mba tsy ho mora simba sy haharitra. Tsy manahy intsony ny mponina amin’ny fahazoana ireto paompy ireto fa hahazo rano fisotro madio hatrany na dia amin’ny hain-tany aza, fotoana mamparitra ireo loharano fatsàkan’ny mponina izay 1 km miala eo amin’ny fokontany raha araka ny fanazavan-dRamatoa Rasoalalarimanana Louisette Eliane, filoham-pokontany.Amin’ny mahaorinasa tompon’andraikitra ny STAR dia miezaka hatrany izy mitondra ny anjara birikiny ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny asa sosialy hataony tahaka izao. Maro ny asa fanohanana ny vahoaka natao tao Ambatolampy ary mbola hitohy hatrany izany amin’ny taona ho avy.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap