airtel

Sosialy

09-juil-2024

Ankizy "autiste"

Tsy ahikikilika fa omena ny fahalalana sahaza azy

Sample post image

Azo sokajiana ho olona manana ny maha izy azy sy manam-pahaizana ny

09-juil-2024

olona “autiste” hoy i Idealy Andrianantoanina, Mpanabe ao amin’ny Centre Espoir MALINJO. Raha ny eto Madagasikara dia mbola miseho amin’ny endriny maro ny fanilikilihana ny olona manana fahasembanana. Toe-javatra izay tsy tokony hisy mihitsy satria manan-jo iaina toy ny olon-drehetra ny olona manana fahasembanana. Iray amin’ireo fikambanana mandray an-tanana ny ankizy “autiste” sy ny “trizomie” ny Association des Educateur Espoir Malinjo etsy amin’ny EPP Analakely. Araka ny fanazavan’izy ireo dia tokony omena fahalalana sahaza azy ny ankizy “autiste” ary tokony efa miara-miaina amin’ny ankizy tsy manana fahasembanana. Ankoatra ny fanabeazana maha olona sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny fampianarana kajy dia tanjon’ny Centre Espoir MALINJO ny hapiditra ny ankizy eny anivon’ny sekoly misy ireo mpianatra tsotra amin’ny alalan’ny “classe inclusive”. Mifampitohy amin’ny eny an-tsekoly ihany koa ny fanabeazana omen’ny Ray aman-dreny satria saika miaina fanavakavana ny ankizy “autiste” eny anivon’ny fiaraha-monina. Ireny ankizy ireny izay tsy tokony atao ho vesatra mihitsy raha ny nambaran-dtoa Rahelisoa Suzette Yollande, renim-pianakaviana manan-janaka “autiste”.
LALAINA RAV

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap