airtel

Sosialy

15-oct-2024

ANKIZY VOATERY MIASA ASA

Efa mahatratra 2 tapitrisa mahery eto Madagasikara

Sample post image

Efa mahatratra 2 tapitrisa mahery ny isan’ireo ankizy latsaky ny 18 taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto

15-oct-2024

amintsika raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Asa sy ny Asam-panjakana Razakaboana Hanitra. Saika eo amin’ny sehatra tsy manara-dalana avokoa no misy azy ireo toy ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny asa an-trano, …Nisy araka izany omaly Alatsinainy 14 Oktobra ny fandrafetana drafitra vaovao ho enti-miady amin’ny fampiasana ankizy izay niarahan’ireo karazana Ministera tamin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT. Drafitra vaovao hohampiasaina mandritra ny 10 taona io vao horafetina io, izany hoe : manomboka ny taona 2025 ka hatramin’ny taona 2035. Ho entina avy hatrany ao Antsirabe anio Talata 15 Oktobra ireo hevitra nangonina teto an-drenivohitra hakambana amin’ny hevitr’ireo fiaraha-monim-pirenena, orinasa …. ao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Tanjona ny hahafahana mampihena na manafoana mihitsy ireo ankizy latsaky ny 18 taona misehatra amin’ny asa sahady eto amintsika. Tsiahivina moa fa efa misy foana ny fandrafetana drafitra tahaka izao saingy ny mampalahelo dia tsy misy mihitsy ny fampiharana izany fa vao mainka mitombo aza ireo ankizy miditra eo amin’ny sehatry ny asa vokatry ny fahantrana mihoampampana eto amintsika
Pati
Legende : Anisan’ny asa mafy hataon’ny ankizy ny fitaomana biriky tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap