airtel

Sosialy

14-déc-2023

Anosibe

Sady tsena no tobim-pako

Sample post image

Maraina, atoandro , hariva. alatsiniany ka hatramin’ny alahady,

14-déc-2023

ny voalohan’ny volana ka hatramin’ny faran’ny volana. Izay ora andalovana eny Anosibe , aty andrefan’ny tsena eo akaikin’ny trano fivoahana sy ny toby fiantsonan’ireo fiarabe mpitatitr’entana dia tazana eo foana ilay fako, efa lasa tendrombohitra kely mihitsy.Mitovy haavo amin’ireo kamiao be ireny. Nisy fotoana izy io noraofina ihany saingy sy izay intsony ny zava-misy ankehitriny fa tena hoe miara-monina amin’ny olombelona sy ny sakafo amidy eo ny fako sy ny loto ary ny fofona maimbo. Sady manaratsy endrika ny tanana, zava-doza ho an’ny fahasalamana satria ireo mikraoba avy amin’ny fako, entin’ny rivotra sy ny lalitra dia mipetaka avy hatrany amin’ireo sakafo amidy eo amin’ny manodidina. Eo ny hani-masaka, voankazo, legioma, ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro na PPN amidin’ireo mpivarotra maro be. Tsy misy adihevitra fa dia loharanon’aretina sy tsy fahasalamana io fako misavovona be ao Anosibe tsena io. Tena mahagaga hoe tsy hitan’ny tompon’andraikitra , tsy fantatry ny manampahefana mihitsy ve io fa dia avela eo mandavan-taona ? Sakafo anefa no amidy manodidina eo. Ary ny tena raharaha amin’izao vanim-potoana maha vokatra ny voankazo izao dia mitombo ny fako.Manodidina ny 700 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo renivohitra ; ary hita ho manomboka misavovona tahaka ity etsy Anosibe ity amina toerana maro. Toa nanjavona tsy hita popoka ilay hoe ozinina lehibe hanodinana ny fako ho lasa zezika na ho tonga angovo ?
RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap