airtel

Sosialy

23-juil-2024

Antananarivo Renivohitra

Ny fanotorana mandeha, ny fako tsy voaroaka, ny làlana potika…

Sample post image

Nisokatra omaly ary haharitra telo andro ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Filan-kevitra monisipaly eo anivon’ny

23-juil-2024

Kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny misongadina ao anatin’io ny fakana ny hevitry ny Mpanolo-tsainan'ny tanàna momba ny PUDé na « Plan d’Urbanisme de Détail » de la Zone riveraine de la Rocade Est et Nord (PADARNE)" na Drafitrasa An-tanàn-dehibe amin’ny Antsipiriany amin'ny faritra manamorina ny lalana ROCADE Atsinanana sy Avaratra (Rocade Iarivo). Voalaza fa efa vita fanadihadiana ara-teknika io drafitra io ka izao haroso hakana ny hevitrin'ny Mpanolo-tsainan'ny tanàna izao. Nanokatra izany fivoriana izany tamin'ny fomba ofisialy ny Filohan'ny Filan-kevitra monisipaly, Andriamatoa Andriamparany Ralitera raha nisolo tena ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan'Antananarivo, Andriamatoa Richard Ramanambitana kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Kaomina, Ramatoa Clara Michel Nala Andrianambony izay nitondra fanazavana mahakasika ny lahadinika ary namaly ny fanontanianan' ireo Mpanolontsaina. « Mirongatra ny fangoronana tany, mandeha ny famaritana sy famefena fanitso eny amin’ny manodidina an’i Soamandrakizay. », hoy ny mpanolontsaina Monisipaly Toavina Ralambomahay, raha ny heno tamin’ny haino aman-jery. Ny fanotorana izay efa namoahana naoty fa miato, saingy tsy izay ny sary mitranga. Nisy ihany koa ny tsikera nataon-dRtoa Lalatiana Ravololomanana omaly mikasika ny fitantanana ny tanàna, ka anisan’izany ny momba ny PDS na ny Filohan’ny Delegasionina manokana Atoa Ramanambitana Richard, izay nambarany fa tsy fantatra mazava ny tsy maha hita popoka azy. « Napetraka ny PDS rehefa lasa minisitra ny ben’ny tanàna satria tapitra ny fe-potoana iasanay. Efa amam-bolana no tsy dia tazana ny PDS, siosion-dresaka no re fa tsy misy fampahafantarana ny tsy maha eo azy. Tsy ny sekretera jeneraly izany no tokony handidy sy hanapaka fa ny PDS lefitra raha ny nambaran’io Mpanolontsaina monisipaly io. », hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana. Ity farany dia marihina fa tsy vao izao no nitondra tsikera mikasika ity PDS ity. Ny fifidianana ben’ny tanàna no fifidianana manaraka eo ka asa na ity farany na olon-kafa mihitsy no ho jokeran’ny Fanjakana Volomboasary ? Raha ny lojikan’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, dia ho resy ny kandidam-panjakana, ary vao mainka mbola manaratsy endrika azy ireo io fahapotehan’Antananarivo io : ny fanotorana heverina ho tsy ara-dalàna mandeha, ny làlana tapitra potika, ny fako tsy voaroaka, ny karaman’ny mpandroaka fako tsy voaloa,… Ny PDS anefa io voalaza fa tsy dia hita io !
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Card image cap