airtel

Sosialy

30-juil-2024

ANTEHIROKA

Mamelona olona maro ny fanodinana ny fako

Sample post image

Saika mivelona sy miaina amin'ny zava-misy eny aminy ireo mponina eny amin'ny faritra iva

30-juil-2024

hoy Atoa Andrianoelisoa Joséana, tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny faritra Andramiarana. Raha ny eny amin'io faritra io manokana dia miaina amin'ny fanodinana ny fako eo amin'ny tobim-pako Antehiroka ny 30 isan-jaton'ny mponina ka zaza amam-behivavy ny ankabeazan'izy ireo. Mivoaka toy ny mamonjy asa mihitsy ny sasany amin'izy ireo isa-maraina ary arakarakin'ny fako miditra ny fidiram-bolany. Misy amin'ireo fako toy ny saribao, vy, poti-bary hohaniny kisoa no amidy amin'ny mponina eo an-toerana ihany. Misy ny amidy amin'ny orinasa toy ny plastika sy "sachet". Eo ihany koa ireo hahodina ho asa tanana toy ny poti-damba. Isany midobaka manerana an'i Madagasikara ny fako ary saika ahitana izany avokoa ny isan-tokantrano hoy i Emilie, nanangana ny HOPE SERVICE izay orinasa misehatra amin'ny fanangonana ny fako. Ilaina fiara-mientana hoy izy ny fikajiana sy fanodinana izany.
Lalaina RAV

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap