Manodidina ny 11% hatramin’ny 15% eo hatrany ny tahan'ny fandoavan-ketra amin’ny ankamaroan’ireo kaominina eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Tarehimarika anisan'ny ambany aty Afrika. Tsy vitsy koa anefa ireo kaominina ambanivohitra azo lazaina fa manana taham-pandoavan-ketra ambony mitaha amin’ireo tarehimarika nanomboka ny taona 2019 no nankaty ireo, izany hoe, manodidina ny 46 hatramin’ny 51% eo saingy azo sokajiana ho taha ambany kosa rehefa raisina amin’ny ankapobeny ary tsy tena mahasehaka ny filan’ny kaominina, hoy ny fanazavan’ireo ben’ny tanàna. Be loatra ny «secteur informel» na sehatra tsy manara-drafitra izay tsy mandoa hetra. Santionan’ny fanazavana voaray tamina mpiasa tena vitsivitsy ny hoe tsy fahatokisana ny rafitra misy, ny ahiahy amin’ny resaka kolikoly, ny fahasarotan’ny dingana arahana. Na ny fomba fiasa amin’ny tekinolojia vaovao toy ny e-hetra izay lazaina fa hanamora zavatra aza, hoy ny fanehon-kevitra, vao mainka mampanano-sarotra ny tokony ho atao. Inona tokoa moa izany no ezaka natao sy mbola ataon'ny fanjakana hampirisihina ny olona hazoto handoa hetra? Mahavoasazy ny tsy fadoavan-ketra, raha ny faritan’ny lalana, saingy zon’ny olompirenena tsirairay kosa ny misitraka tamberin’andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana ho fanamarinana ny lalan’ny hetra nalohany.
MPIASA LEO FITOTONGANAN’NY FAHEFA-MIVIDY
Mpiasa leo fitotonganan’ny fahefa-mividy moa no lohahevitra nentin’ireo sendikan’ny mpiasa maro nanamarika ny fetin’ny asa ny 1 may 2023 teo. Matoa mitotongana ny fahefa-mividy dia satria tsy mahazaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny intsony, hoy izy ireo, ilay karama raisina na natao ho 250.000 Ariary aza ny farany ambany. Fa nankaiza ny lalan’ny hetra naloa isan-karazany? Azo lazaina ho naman’ny hetra koa ireny latsakemboka aloha any amin’ny CNaPS ireny. Maninona no tsy afaka manampy ny sehatra tsy miankina izay mandoa hetra aminy akory ny fitondram-panjakana izay nampanantena izany? Santionan’ny fanontaniana napetrak’ireo sendika izany. Na mividy borosy nify na mofo dipaina eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika na «Epicerie» aza, hoy ny fanamarihana sasany, dia efa naman’ny mandoa hetra satria mandoa «ticket» na tapakila amin’ny kaominina iny mpivarotra iny.
FITONDRANA TSY MANANA POLITIKA FAMPANDROSOANA
Natao hitantanana ny fiainam-pirenena rehetra ny fitondram-panjakana, hoy ny mpanao politika, mpandraharaha, Dany Rakotoson. Ao anatin’izany ny ara-bola, hoy izy. Hita foana hatramin’izao ny tsy fananan’ny fanjakana politika fampandrosoana entina hanatsarana ny fiainan’ilay vahoaka. Hany ka raha vao misy hetsika tampoka na odidina mipoitra, ohatra, hoe loza voajanahary dia lasa ohatran’ny miandry fakana vola any ivelany fotsiny no ataon’ny fanjakana fa tsy manana tahiry. Matoa isika mahita fotodrafitrasa mitsangana any avaratra na atsimo na aiza dia volam-panjakana no miasa. Mety ny fampiasana ilay vola hanatsarana ny fiainam-bahoaka izany no tsy mitombona fa tsy hoe tsy misy ny vola. Hanaovana werawera hanehoana fotsiny ilay izy hoe mahavita zavatra ny fitondram-panjakana izany. Tsy voahaja anefa ireny fotodrafitrasa ireny rehefa mibahan-toerana ny hanohanana sy fahantrana. Tsy misy afa-tsy fananan’ny fanjakana politika hampatanjaka ny toekarena no vahaolana. Lasa tsy misy fiantraikany amin’ny tena fanatsarana ilay werawera, indrindra, mampalaina ny fandoavan-ketran’ny olona, hoy hatrany ny tenany.
Dany Rakotoson
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
Hita mibaribary ny tsy fahaizantsika malagasy, indrindra, ny mpanohitra, ny atao hoe politika tamin’ity taona 2024 ity,
Amin'izao fotoana izao, dia tsy vitsy ireo orinasa tsy miankina izay manao tolotra miavaka mba hatao fanomezana
Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy Andohatapenaka omaly Alatsinainy 23 Desambra