airtel

Sosialy

26-déc-2023

ASSANATI FAMO GIDRAKA

Mirary taona zina, mitohy ny asa soa

Sample post image

Tsy nanadino ny nirary soa ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra Rtoa Assanati Famo Gidraka

26-déc-2023

noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely izay nankalazaina omaly Alatsinainy 25 Desambra. Ny fahefana an'ny Mpitondra hoy izy, ny fivoy an'ny Mpiandakana ary ny Aina an'Andriamanitra. Ity farany izay nambarany fa loharanom-pahasoavana sy fahavelomana. Misaotra ny Mpahary mandrakariva isika hoy izy satria mbola voatahy ka nahatratra sy afaka niara-nankalaza ny fetin’ny Noely 2023 omaly “androm-pifaliana sy fihobiana noho ny nahaterahan' Ilay Mpamonjy”. Fifaliana lehibe izany ary ara-drariny raha hifampiarahaba isika. Indramiko ny fiarahaban'ny Anjely manao hoe : Arahaba ry Ilay nasoavina , ny Tompo ho aminao. Mateza hasina ny fiarahabana hombam-pirariantsoa. Nirary ny soa sy fety sambatra ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra izy noho izany. Ny fitiavan'Ilay Jesoa Mpamonjy anie ho toy ny rano sy vary amintsika ka tsy hahasaraka Anao raha an-tanàna , tsy hifandao aminao raha an-tsaha. Nitondra ny teny fikasana ho an’ny rehetra koa izy nandritra izany mba hahatafitasoa ity taona 2023 ity sy ho todisoa amin'ny taona vaovao 2024 isika rehetra. Fety roa sosona mifampitohy ireo hoy izy ka ho voanjo mitohy ny fitahiana. Fety roa miavaka mifanesy ka isesisesy ny Fahombiazana. Tsiahivina moa fa tsy nanadino ny nizara akoho amam-borona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ity filoham-boninahiny ity. Toraka izany koa ireo mpanohana azy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, hetsika izay fanaony isan-taona.
Pati 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap