airtel

Sosialy

18-juin-2024

ASSOCIATION SOLIDARITE 2 ROUES

Nizarana fitafiana sy lamba ho an’ireo mpatory an-dalana

Sample post image

Tsy ny lozam-pifamoivoizana foana akory no hahafantarana ireo mpitondra

18-juin-2024

moto na kodiaran-droa eto an-drenivohitra sy ny manodidina fa mandray anjara mavitrika amin’ny asa sosialy ihany koa izy ireo no sady manome ohatra tsara ho an’ny mpiara-belona. Anisan’izany ny Association Solidarite 2 Roues, izay anisan’ny fikambanana manana vina feno fahamendrehana. Nanatanteraka ilay hetsika Mizara Fitiavana teny amin’ireo olona mpatory an-dalana teny Ambohijatovo, Analakely ary Behoririka sy Tsaralalana izy ireo afak’omaly Alahady 16 Jona. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny lehilahy noho io andro io nankalazana ny fetin’ny Ray. Fitafiana , lamba mafana…no natolotr’izy ireo tamin’izany ka Raim-pianakaviana maro no nahazo tombontsoa. Tanjon’izy ireo moa ny hahatsapan’ny mpiara-belona indrindra fa ireo marefo fa tsy mpanao herisetra na mpihetraketraka foana ireo mpitondra kodiaran-droa ka mahay mizara fitiavana no sady miezaka manitsy sy manampy ireo namany hafa ihany koa mba hahay hanaja ny lalan’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap