airtel

Sosialy

20-mars-2025

BEKOTRO MARO HOLATRA

Mitontaly 233 manerana ny Nosy, sahirana ny ankamaroany

Sample post image

Mitontaly 233 isa ireo bekotro maro holatra eto amintsika amin’izao.

20-mars-2025

Mihoatra ny 90 taona mahery no zokiny indrindra amin’izy ireo, hita sy miparitaka manerana ny distrika 33 isa. Sahirana ny ankamaroany ka mila tohana sy fanampiana izay tsy amin’ny ankatoky ny 29 Martsa tahaka izao ihany fa mandavan-taona mihitsy. Hanomboka rahampitso Zoma 21 Martsa ny fankalazana ny faha-78 taona nisian’ny tolom-panafahana 1947. Ho antsika eto an-drenivohitra dia etsy amin’ny Kianjan'ny Barea Mahamasina no hanatanterahana izany ka hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ireo be antitra mihoatra ny 65 taona rehetra. Arahin’ny vavaka hatao eny amin’ny fiangonana Advantista Soamanandrariny izany rahampitso Sabotsy 22 Martsa raha eny amin’ny EKAR Andohalo kosa afaka rahampitso Alahady 23 Martsa. Hanomboka ny Alatsinainy Martsa kosa ny fampirantiana eny anivon’ireo Sekoly eto Antananarivo sy ny manodidina. Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana. “Tolom-panafahana, fanilo miampita ho an'ny taranaka ». Io no tarakevitra noraisina mandritra izao hetsi-pahatsiarovana izao.
Pati
Legende : Mila fanampiana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika fa tena sahirana !

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny

Card image cap
26-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny

Card image cap
24-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana

Card image cap
24-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana

Card image cap
24-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny

Card image cap