airtel

Sosialy

23-oct-2023

CNaPS sy ireo tale misahana mahaolona

Nanasonia fifanarahana mikasika ny zon’ny mpiasa

Sample post image

Nandray anjara tamin’ny fivorian-dehibe niaraka tamin’ny fikambanan’ireo tale misahana ny mahaolona na DRH

23-oct-2023

tao Antsirabe ny CNaPS na Tahirim-bolam-panjakana hitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny 20 oktobra teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nampahafantarina nandritr’izany ny stratejiam-pitantanana vaovaon’ny CNaPS ary narahana adihevitra lalina momba ireo toe-javatra heverina fa manan-danja ao anatin’izany fitantanana izany, hoy ny fanazavana. Isany ny mikasika ireo fepetra fototra, ny atao hoe orinasa tomponandraikitra sy miray hina, ny mikasika ny famerenana anaty tontolon’ny asa ireo manan-kilema, ny fahafaha-misitraka ny fiahiana sosialy ao amin’ny CNaPS. Heverin’ny CNaPS ho zava-dehibe ny anjara toeran’izany atao hoe DRH izany eo anivon’ny orinasa ka antony nanasoniavan’ny rafitra 2 tonta fifanarahana. Isany voarakitra anatin’izany ny mikasika ny fiahiana ny zon’ireo mpiasa eto Madagasikara, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampitoviana lenta ny mpiasa ao anatin’ny toeram-piasana misy azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap