airtel

Sosialy

02-oct-2024

Dany Rakotoson

«Tsy maintsy hipoaka ihany io»

Sample post image

Efa niresaka aho fa raha vao tsy ampy «empathie» na fahaizana mipetraka amin’ny toeran’ny

02-oct-2024

hafa ny mpitondra fanjakana iray dia lasa tsy mahatsapa ny fahavoazan’ny vahoaka entiny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iarahantsika mahalala, hoy izy, ny zava-misy eto andrenivohitra na any amin’ny faritra amin’ity delestazy ity. Eo koa ny fahatapahan’ny rano. Eo ny resaka tsy fandriampahalemana. Ny mampalahelo indray moa izao dia nanana fahafahana ihany ny fitondram-panjakana, niaraka tamin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, hanao lalana dia maninona no efa akaiky propagandy ohatran’izao vao atao? Tsy ampy amin’ny fitondram-panjakana amin’izao mihitsy ilay atao hoe «empathie». Tsy tena mahatsapa ny zava-mitranga amin’ilay vahoaka entiny fa ohatrany lasa tratran’ny tapimaso ve sa inona no tsy mahita akory ilay fahoriam-bahoaka? Tokony hahatsapa tena ny fitondrana, indrindra, ireo olona manodidina azy satria rehefa tsy miteny azy ny olona manodidina azy dia ohatran’ny olona mampijabaka hoy ny fitenin’ny tanora izay. Mampijabaka azy izay tsy mahafantatra akory ny zava-misy. Mety hahatonga ady eto amin’ny firenena izany zavatra izany satria rehefa diso voatery loatra ilay vahoaka amin’ilay fahoriana misy dia tsy maintsy hipoaka ihany io indray andro any. Ho avy ny fifidianana dia hanao «vote sanction» na latsa-bato manasazy ny vahoaka noho ny zava-misy sy ny fahoriana mahazo azy. Izay no tokony ezahin’ny fitondram-panjakana arenina faran’izay haingana mba tsy hahatongavana amin’izay fipoahana izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap