airtel

Sosialy

03-juil-2024

Distrikan’i Sambava

Lafo dia lafo ny legioma

Sample post image

Avo 2 heny fara-fahakeliny amin’ny an’ny eto Antananarivo ny vidin’ny legioma ao amin’ny

03-juil-2024

distrikan’i Sambava ao amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovaon’ny mponina ao an-toerana. Misy mamboly legioma nefa ireo kaominina sy distrika manodidina toy ny ao Andapa sy Anivorano, hoy ny fanazavana. Ny eto Sambava kosa tsy mamboly afa-tsy Kafe, Kakao, Lavanilina, Katy sy ny toy izany. Amin’ny ankapobeny, any Antananarivo no manafatra legioma ireo mpivarotra. Ny akondro angamba no mba mora satria 500 Ariary ny miisa 4 lehibe na 5 antonony. Saika tsy dia lafo koa ireo voankazo sy hanin-kotrana hafa toy ny voasary, mangahazo, soanambo, saonjo mbamin’ny voamaina. 4000 Ariary kosa ny kilaon’ny ovy, raha toa ka 2000 Ariary no lafo indrindra any Antananarivo. 5000 Ariary ny karaoty nefa mbola latsaky ny 2000 Ariary izany any Antananarivo. Ny tongolo 10.000 Ariary raha 5000 Ariary fara faha lafo any Antananarivo. Ny hena koa mbola azo lazaina hoe mifanatsahana amin’ny vidiny ao Antananarivo satria manodidina ny 16.000 Ariary eo ny kilao. Ratsy rahateo moa ny lalana ary talohan’ny fahatapahan’ny lalana no efa 130.000 Ariary ny saran-dalana raha mandeha fiara Sprinter avy any Antananarivo no nankaty. In-5 na in-6 misakafo eny an-dalana satria maharitra 40 ora eo ny dia amin’ny ankapobeny. Milamina kosa na izany aza ny lafiny fandriampahalemana na eo aza izay vidina legioma lafo dia lafo izay. Madio ny tanàna. Efa miezaka manolo ny herinaratry ny JIRAMA amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro ny ankamaroan’ny olona. Hatrany ambanivohitra efa We light an’ny Telma no ampiasaina. Rano amin’ny vovo no hatsakaina satria ny ranon’ny JIRAMA sy ny ranom-boamadilo no mitovy ny lokony, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap