airtel

Sosialy

23-août-2024

Fahaleovantena ara-tsakafo

Mampanantena fahagagana sy mazia indray ny Filoha

Sample post image

Niampy iray ny sekreteram-panjakana nampanantenain’ny Filoham-pirenena,

23-août-2024

ary nolazaina fa mbola hiampy an’ireo hafa, dia sekreteram-panjakana misahana ny fandrakofana herinaratra eny ambanivohitra, miandraikitra ny ady amin’ny fahantrana, misahana ny ekonomia sy ny « plan », misahana ny tanora sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina, fifandraisana iraisam-pirenena, varotra sy fanjifana, asa tanana,… Iray ihany no voatendry omaly nanampy Sekreteriam-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, dia ny Sekretariam-panjakana miantsoroka ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nambara fa tsy maintsy ho tratra ny fahaleovantena ara-tsakafo io. Io no hanao fanodinana ara-pambolena na « tranformation agricole ».
MISY FIFANOHARANA
« Hampitomboina ny vokatra, ary tsy maintsy hanondrana isika, na io vary na katsaka, na mangahazo,… Ao anatin’ny fotoana fohy io dia tsy maintsy ho vitantsika sy ho tratrantsika, ary efa vonona ny paikady rehetra hametrahana an’izany », hoy i Andry Rajoelina. Mifanohitra tanteraka amin’ny nambarany tamin’ny fivorian’ny IDA (International Development Association) ny aprily 2024 teo hoe : « Tena resy lahatra aho, hoy izy, fa afaka 20 na 30 taona farafahabetsany dia ho resy ny tsy fanjarian-tsakafo... ». Tsy fantatra intsony izay marina sy diso ! Nambara omaly fa handrindra ny fanapariahana zezika, hametraka ozinina fanamboarana zezika any amin’ireo sopitra miisa 7 eto amin’ny Nosy ity sekretariam-panjakana ity. Nolazaina fa io no hikojakoja sy hametraka ireo tohodrano marobe manerana an’i Madagasikara, ary hanaraka ilay teknikam-pambolena ampiharin’i Zimbabwe izay efa manondrana amin’izao. Ny olona manana tany 600m2 dia nolazaina fa afaka mahavelon-tena tsara. Nolazaina fa hampitomboina ao anatin’ny fotoana fohy ny voka-bary ka hahaleo tena ara-bary isika, ary tsy ho kabary intsony io, betsaka no nikabary, hoy i Andry Rajoelina. Nilaza ho any Chine afaka andro vitsy, ka hisy fifanarahana hosoniavina, ka tsy maintsy hakarina 25% ny voka-bary.
MAMPANATENA FAHAGAGANA SY MAZIA INDRAY
Tena mampanantena fahagagana ingahy Filoha ka asa hanao ahoana indray io ? Fanamby efa noresahana andro vitsy lasa rahateo ny hahaleo tena ara-bary amin’ity 2024 ity ary afaka hanondrana amin’ny 2025. Inona indray no nahataitaitra tao kanefa hatramin’izay tsy tena rototra tamin’ny famokarana fa resaka ambony latabatra no betsaka fa kianja sy teleferika no nihazakazahana? Efa betsaka izay fampanantenana natao izay ka asa hoe : efa mipetrapetraka tokoa ve ny paikady hanatanterahana na ara-bola na ara-teknika na lafiny hafa sao ho kobaka am-bava tahaka ny orinasa Gasycar hanamboatra fiara, nisy fe-potoana nolazaina saingy mandrak’ity na bilao iray tsy nitsangana, na koa herinaratra 400Mw anatin’ny 5 taona vao izao vao mainka zava-doza, na koa tahaka ny Flyover etsy Anosizato sy Andohatapenaka izay 5 taona tsy nisy na inona na inona nitsangana, ny pipelina izay mbola resaka sy fihetsiketsehana aloha no hamenoana ny ampahan’asa kely natao,…
Toky R
Legende : Ny kizarazara vary nafarana namelomana ny tantsaha vahiny no nahalalana ny fitondrana ka dia andrasana ny fahagagana taorian’ny tsy firaharahiana firy ny famokarana teto !

 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha

Card image cap
19-nov-2024

Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.

Card image cap
19-nov-2024

Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony

Card image cap