airtel

Sosialy

03-mars-2025

Fahantran'ny Malagasy

30 % miaina tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Sample post image

Tafiditra anatin’ireo firenena 28 maneran-tany izay ahitana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

03-mars-2025

maharitra na mitarazoka l Madagasikara. Tao anatin ny folo taona mahery, mihoatra ny 30% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra eto amintsika, hany ka lasa isan'ny voatery laharam-pahamehana sy loka'ady miantoka ny fahafahana manao fampandrosoana eto amin’ny firenena ny ady amin’ity olana ity. Ny fahasamihafan’ny sakafo ho an’ny ankizy: tena ilaina amin’ny fivelaran’ny vatana sy saina. Araka ny fanombanan’ny Rafotra Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) anefa, tokony hihinana vondron-tsakafo dimy amin’ireo valo voafaritra ny ankizy latsaky ny roa taona mba hampivelatra ny fahaizany saina sy ny vatany. Andaniny, ny tatitra nataon’ny UNICEF tamin’ny 2024 momba ny fahantrana ara-tsakafo amin’ny ankizy, dia nitatitra fa 74% amin’ireo ankizy eto Madagasikara dia mihinana vondron-tsakafo telo ka hatramin’ny efatra isan’andro. 24% kosa dia iray na roa monja, izay sokajiana ho fahantrana ara-tsakafo tena mahery vaika. Any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, 86% amin’ny tokantrano no tsy manana fidiram-bola ampy hihinanana sakafo isan-karazany sy mahasalama. Nambara fa herijika ho antsika ny Fihaonambe Iraisam-pirenena nomena ny lohahevitra « Nutrition pour la Croissance » hatao amin’ny faran’ny volana martsa any Parisy. Fotoana lehibe hampivondronana ny governemanta, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Kendrena amin’izany ny hanomezana lanja sy famatsiam-bola ampy amin’ny sehatry ny sakafo ara-pahasalamana. Ho an’i Madagasikara, ireo fanamby lehibe amin’izany dia: fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra sy mahery vaika hatramin’ny taona 2030, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra mba hanatrarana tanjona maharitra amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vao ny herinandro teo no nisiana atrik'asa hotadiavina paikady sy vahaolana momba ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona. 40% izany ankehitriny ka kendrena ho lasa 25% ao anatin'ny 5 taona. Manamafy sy manaporofo hatrany ireny fa amboara fandrisihana hiezaka ilay amboara nireharehan'ny Fitondrana Malagasy ny desambra 2022 fa hoe: voahosotra ho "Tompondakan'ny fanjarian-tsakafo" i Andry Rajoelina. Fanabadoana sy filalaovana saim-bahoaka no betsaka fa ny vokatra mbola lavitry ny kitay ny afo. Porofoin'ny zava-misy hatrany fa tsy mahomby ny Fitondrana, miha mahantra ny Firenena,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny

Card image cap
26-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny

Card image cap
24-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana

Card image cap
24-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana

Card image cap
24-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny

Card image cap