ho an’ny taona 2025. Ity fitomboana ity dia hateraky ny fitomboan'ny famokarana vary 1 tapitrisa taonina, raha ny seraseram-panjakana hatrany. Ankoatra ny fanaparitahana ny teknika « PFUMVUDZA » izay manampy amin'ny fitehirizana tsara kokoa ny hamandoan'ny tany, dia hampiasa karazana masomboly novolavolain'ny Sinoa i Madagasikara izay afaka mihoatra ny 8 taona isaky ny hekitara, araka ny serasera voizina hatrany. Ankoatr'izay, ny fiovan'ny habetsaky ny vary vokarina dia hahatratra 32,7% amin'ny alalan'ny fiakaran'ny famokarana avy amin'ny 306.000 taonina tamin'ny taona 2024 ho 406.000 taonina amin'ny taona 2025. Ho an'ny famokarana mangahazo, lazaina fa hahatratra 3.636.000 taonina amin'ity taona ity 2025 raha oharina amin'ny 3.417.000 taonina tamin'ny taona 2024, izay lazaina fa hisy fiakarany 6,4%. Amin'ny ankapobeny, ny fitomboan'ny toekarena amin'ny taona 2025 dia vinavinaina ho 5,0%. Ity zava-bita ity dia tokony hotsinjovana indrindra amin'ny alalan'ny zava-bitan'ny sehatra ara-pambolena, nefa koa amin'ny vokatry ny fanavaozana natao tato ho ato, ny fanarenana ny toe-javatra amin'ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany aminin’ny lentany tokony ho ambony noho ny tamin'ny taona 2019,… raha ny seraseram-panjakana hatrany. Efa tena matihanina sy maty paika sa hevitra ary hoenti-manana hanatrarana izany sa manidintsidina ? Raha ny zava-misy ara-toetr’andro mantsy ohatra, dia ahiana hiiba ny voka-bary amin’ny taom-pinjinjana manaraka eo noho ny olana ara-toetr’andro satria tena karakaina ny tany, tsy misy rano, saika olana manerana ny Nosy. Ritra hatramin’ireo farihy toa an’ireo manodidina an’Antananarivo sy mamatsy azy, raha tsy hilaza afatsy ny any Tsiazompaniry, ny etsy Andranotapahana,… Miantehitra mafy amin’ny vary safiotra sinoa tsy nakana ny hevitry ny manam-pahaizana Malagasy ny Fanjakana Rajoelina, saingy mbola betsaka ny ahiahy. Ny ambara fa paikady entina mifehy sy manalefaka ny vidim-bary aza dia mbola ny fanafarana izay ahiana hisy fanentsenam-bidy na « subvention » avy amin’ny Fanjakana. Izany ve ny paikady sy fomba fiasa hahatrarana ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ? Moa tsy lasa vahaolana « tip top » sy fitantanana jonjorombona ka arakaraka ny zava-misy no andraisana fanapahan-kevitra ? Raha tena nametraka ho laharam-pahamehana ny fahavitan-tena ara-tsakafo indrindra fa ny ara-bary tao anatin’izay taom-piasana efa miditra fanintelony izao ve dia ho tahaka izao ny hanoanana iainan’ny Malagasy ? Miharihary hatrany fa tara am-polo taonany isika, resaka ambony latabatra no betsaka,…
Toky R
Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana
Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy