2024 ity raha 11 tapitrisa taonina izany ho an’ny taona 2030. Iraka ampanaovina ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-Tsakafo, Tahina Razanamahefa izay nandray ofisialy ny andraikiny tamin’ny alalan’ny fifamindram-pahefana omaly. Navoitra fa hovaliana ny fangatahan’ireo tantsaha dia ny hitohizan’ny fizarana masomboly saingy mangataka ny hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana ity farany, izay nilaza fa hitohy ny fizarana hana-pamokarana, hisy fidinana ifotony hihaonana amin’ny tantsaha hijerena ny zava-misy eny an-toerana, ary hitondrana vahaolana maharitra. Nambara fa hisy ny fizarana zezika, masomboly, fitaovana samihafa hahafahan’izy ireo mampiakatra ny taham-bokatra. Hisy ihany koa ny fanaraha-maso ho ataon’ ny avy eo amin’ny minisitera tomponandraikitra mba hahafahana mandroso amin’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo anatin’ny fotoana fohy. Efa novoizina tato ho ato moa ny SNDR na “Stratégie Nationale de Développement Rizicole” paikadim-pirenena momba ny fampiroboroboana ny famokaram-bary, izay efa miditra amin’ny dingana fahatelo. Hampiasaina ireo seha-pikarohana ara-pambolena toy ny FOFIFA amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny masomboly. Hisy koa ny tetikasa hametrahana ny orinasa mpamokatra masomboly tsara kalitao hahazoana ny taham-bokatra ambony indrindra ka isan’izany ny voly vary Safiotra izay tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, araka ny seraseram-panjakana hatrany. Nohamafisina ny hiazoan’ingahy Filoha Andry Rajoelina any Chine ny 4 septambra ho avy izao, ka nilazana fa hanampy amin’ny teknikam-pambolena avo lenta ny sinoa, izay hifanao soniam-piaraha-miasa amintsika. Mbola
MANAO AHOANA NY HOENTI-MANANA ARA-BOLA ?
Hatreto, resaka ambony latabatra no betsaka. Fanamby goavana ho an’ny Firenena iray izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany, ary tena mila fahavononana na ara-paikady na ara-politika fa indrindra ny ara-bola. Raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 nasiam-panintsiana na LFR 2024 dia 469 805 360 tapitrisa Ariary na 469 miliara Ar eo ny tetibola ho an’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana. Io no mbola hitsinjara amin’ny Sekretariam-panjakana momba ny fahaleovan-tena ara-tsakafo izay tsy mbola vaoresaka akory ao anaty LFR 2024 ? Any amin’ny laharana faha-6 aloha raha ny resaka tetibolam-panjakana ny fambolena satria mitana ny voalohany ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny vola izay 2, 847 miliara Ar, Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena 1,532 miliara Ar, Minisiteran’ny asa vaventy 1,217 miliara Ar, Minisiteran’ny fahasalamana 716 miliara Ar, Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena 557 miliara Ar. Somary mampametra-panontaniana ihany eo anatrehan’ny zava-misy hoe : tena voavolavola tsara ve ity fivoizana fahaleovantena ara-tsakafo tampotampoka ity sa io indray aloha no azo lalaovina ara-tserasera hambaboana vahoaka ? Isan’ny sehatra nohamaivanina rahateo io hatramin’izay, eny fa hatramin’izao, raha tsy hilaza afatsy ny nilazana fa aleo manafatra fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, aleo mamboly artemesia satria ireny lafo vidy kokoa noho ny vary, aleo mitrosa vola tsy toko tsy forohana nanamboarana kianja, teleferika,…
Toky R
Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha
Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.
Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony