airtel

Sosialy

06-sept-2024

Fahavitan-tena ara-tsakafo

Tsy vitan’ny vary fotsiny fa mila vokatra maro hafa

Sample post image

Manana fanamby hamokatra vary 6 tapitrisa taonina amin’ity taom-pambolena 2024 ity i Madagasikara

06-sept-2024

raha ny resaky ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo Razanamahefa Tahiana. Heverina ho tody hatrany amin’ny 11 tapitrisa taonina izany amin’ny taona 2030.
VARY
Raha tratra io tarehimarika ho an’ny taona 2024 io dia efa tsy tokony hanafatra vary intsony izany i Madagasikara amin’ny herintaona satria manodidina ny 4,5 tapitrisa taonina isan-taona ny filàna ara-bary ho an’ny Malagasy. Tombanana ho mihinana vary 128 kg isam-batan’olona isan-taona moa ny Malagasy raha ny salanisa, izany hoe 1 kapoaka isam-batan’olona isan’andro. Mazoto homanana koa ny mponina anyambanivohitra noho ireo amin’ny tanàn-dehibe. Efa manana paikady isika hahatongavana amin’io fampitomboana ny vokatra io, raha ny fanazavan’ny minisitra hatrany, ka tantsaha 1 tapitrisa no hahazo fanofanana sy tohana ho amin’izany.
TSY FANJARIAN-TSAKAFO
Tsara ho marihina anefa fa tsy hoe rehefa ampy na betsaka ny voka-bary dia mahavita tena ara-tsakafo ny firenena satria tsy vary irery ihany no ivelomana fa tena mila zavatra, sakafo maro hafa ny vatan’olombelona . Mila sakafo manampy ny hery fanorenana sy ny hery fiarovana, fa tsy hoe rehefa voky be dia mety sy ara-pahasalamana izay. Ary raha ny tarehimarika dia mbola mampatahotra aloha satria Malagasy efa ho 2,2 trapitrisa indrindra fa any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny no manana olana ara-tsakafo. Distrika 19 amin’ny 21 nanaovana fanadihadiana araka ny tatitra nataon’ny Unicef ny taona 2023 no ahitana krizy ara-tsakafo any atsimon’i Madagasikara. Tena misy akony amin’ny fitomboana ara-batana sy ara-tsain’ny zaza ny tsy fahampian-tsakafo ka raha ny tarehimarika dia manana fahatarana amin’ny fitomboana ny 53% n’ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara ; tsy mahatratra ny lanja tokony izy araka ny taonany ny 42% ary 13% n’ireo zaza latsaky ny 5 taona ireo dia tena iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.
FIOVANANA, VOLA, FITAOVANA
Misy ezaka goavam-be noho izany mila ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miasa , mpiara-miombon’antoka raha hanenjika ilay tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo izay efa natao hirahira hatramin’ny repoblika faharoa tany amin’ny taona ’80, kanefa tsy mety tratra ny tanjona hatramin’izao. Ny antony dia satria tsy nitohy ny ezaka tamin’ny famokarana, maro loatra ireo tantsaha no mbola mampiasa nyfomba nentin-drazana amin’ny famokarana, hany ka tsy maharaka ny fitombon’ny isan’ny mponina ny vokatra miakatra. Sady mila fampianarana, fanofanana no mila fitaovana sy vola ny fanatsarana sy fampitomboana ny vokatra fa tsy vitan’ny kabary fotsiny. Ary ny tena lehibe indrindra dia mila politikan’ny fananan-tany mazava tsara sy mitsinjo ireo mpamokatra.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap