Nisy ny dinidinika nifanaovan'ny gazety Tia Tanindrazana (TT) tamin-dRaharinaivo Juslain, injeniera momba ny fambolena. Ity farany izay nalain-dry zareo any Côte d'Ivoire ankehitriny noho ny fahaiza-manao sy traikefany, hanao fambolem-bary amina velarantany midadasika.
TT : Ny tany azo volena vary ve no tsy ampy eto amintsika sa inona no tsy ahatratraran'i Madagasikara ny tanjona ? Juslain : Manana velarantany maro Madagasikara fa ny fanajariana no tsy ampy ary tsy ara-teknika mifanaraka amin'ny fiovaovan'ny toetr’andro intsony. Noho izany dia singa lehibe ahatrarana ny tanjona ho an'ny fahaleovantena ara-tsakafo ny fahaizana ny finiavana hanajary tany tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'i Afrika iray manontolo.
TT : Mamboly ihany isika saingy ambany ny taham-bokatra (rendement) eny fa na amin'ireo faritra sompitr'i Madagasikara ara-bary aza, inona no tena antony ?
Juslain : Eo ny ara-toetr'andro araka ny voalaza teo fa eo koa ny fanohanana ireo tantsaha hanaraka ny teknika fambolena mifanaraka amin'izany toetr’andro izany ary ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny fahalalana fototra ny atao hoe : fambolena. Dikany mila tohana ara-teknika, ara-pitaovana, ara-bola ary ara-toetsaina (motivation) ny tantsaha.
TT : Tsy marisika amin’ny teknika maoderina ve ny tantsaha malagasy sa ireo teknika toy ny SRI, Batatany... mihitsy no tsy mahomby ?
Juslain : Ny tantsaha dia toa ny mpandraharaha rehetra ihany. Noho izany dia mila "fonds d'investissement" sy "fonds de roulement" izy ireo. Vola hampitomboana ny hanam-pamokarana ary vola kirakira. Tsy ananany izany koa rariny raha izay misy ampelatanany no iasany. Ny "modernisation" anefa mila ireo singa roa ireo. Koa na mahomby aza ny SRI, ny Batatany, .... dia tsy manana fahafahana hanatanterahana izany ny tantsaha malagasy.
TT : Raha efa mba niroso tamin’ny fampiasana milina vaventy isika tamin’ny fambolena (mécanisation agricole) ankehitriny toa miverina tsikelikely amin’ny herin-tsandry, tsy fihemorana ve izany ?
Juslain : Fihemorana ny tsy fampiasana milina madinika na vaventy ! Rariny loatra izany satria mihena ny velarantany sahanin'ny isam-pianakaviana. Ohatra : tamin'ny fahatongavako tany Antsihanaka ny fiandohan’ny taona 90 dia fianakaviana iray miasa amina tany 20 ha any amin'iny ampita andrefana iny. Ankehitriny efa mizara amin'ny zanany roa na telo dia 5 ha sisa. Koa raha traktera no nampiasan-drainy dia lasa "motoculteur" izany ankehitriny ary hivadika omby afaka 10 taona ary dia angady afaka 20 taona raha tsy misy ny fepetra raisina dia ny fanajariana miompana amin'ny toerana malalaka sy teknika mifanaraka amin'ny lafintany sy fiovaovan'ny toetr’andro. Ary dia ezahina ho ny zanaka tantsaha no hiasa amin'ireny tany voajary ireny aloha vao ny tsy an'asa avy aty an-drenivohitra. Ny fanajariana koa dia tanimbary aloha vao voly hafa satria kolontsaina malagasy izany. Raha toerana tsy ahafahana mamboly vary dia tsy ahasarika mpifindra monina velively.
TT : Maro ny tetikasa sy famatsiam-bola niarahana tamin'ireo mpiara-miombon’antoka amin'i Madagasikara, tsy tsapan'ny olona anefa ny fiantraikany fa toa niteraka foankinan-doha indray. Ny hevitrao ? Juslain : Raha tsy miainga avy any ifotony ny volavolan-kevitra dia tsy ahomby mihintsy. Koa ireo manana ny fahaizana sy fahalalana tena niaina sy mitia ny tontolo ambanivohitra no tokony hanangana tetik'asa fa tsy ny tsara CV any an-drenivohitra anefa manara-drenirano ireo fahalalana hitany tany aloha. Tsy ireo tantsaha izay tena mahalala ny olana koa anefa tsy afaka hamadika ho soratra ny filany. Fehiny : mila olona manana ny fahaizana sy fahalalana ny tontolo ambanivohitra mahay manoratra sy mahafehy ny resaka ara-bola anefa teren'ny fitiavana hiasa ary efa manadino sy mihoatra ny fitiavana vola tsy mifanaraka amin'ny filana maha olombelona.
TT : Mbola misy ve ireo teknisianina mpanentana ara-pambolena, ampy ve izy ireo ? Juslain : Misy foana satria maro ireo toeram-panofanana fa mila fantarina aloha ny maika sy ny ilaina. Ny maika dia io fanajariana io, ny fanampariahana ireo zanaka tantsaha ary fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra (jiro, rano, fahasalamana, fampianarana, ...). Ireo rehetra ireo no hampirisika ny teknisianina hiverina indray any amin'ny tontolo ambanivohitra ary hampiparitaka ireo teknika mahomby.
TT : Miteraka resabe tato ho ato ny fampidirana ny vary safiotra sinoa. Vahaolana tokoa hanatratrarana ny fahaleovantena ara-bary ve izy io sa misy hevitra hafa afaka aroso ?
Juslain : Na ny OGM (organisme Génétiquement Modifié) aza anie mahasoa rehefa voafehy e ! Fa laharampahamehana ve izany raha toa ka ny tany, ny rano, ny fifehezana ny zezika aza tsy voafehy ? Afera sahala ny afera rehetra io satria misy mpandraharaha ambadik'ireny. Tsy tokony hisy fihatsarambelatsihy mihintsy fa anjarako, anjaranao, anjarantsika Malagasy tsirairay no mandinika sy mamakafaka satria dia samy manana rahalahy sy anabavy, ray aman-dreny sy zanaka any ambanivohitra rehetra any isika. Koa aoka samy handinika mba tsy hanenjika antsika avy ny eritreritsika any aoriana any. Misaotra !
Jean D.
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny