airtel

Sosialy

22-août-2024

Fako misavovona

Lasa olana fototr’Antananarivo

Sample post image

Misy, hoy ireo mpandinika, ny antsoina hoe laharam-pahamehana fa misy koa nefa ny

22-août-2024

ambonin’ny laharam-pahamehana. Raha ny ankapoben’ny famakafakana momba ny toe-draharaham-pirenena kosa no aravina dia saika milaza ireo fanehoan-kevitra fa amin’ny maha firenena mahantra an’i Madagasikara dia laharam-pahamehana avokoa ny fanavotana ireo sehatra rehetra misy. Ny renivohitry ny firenena dia i Antananarivo mihitsy izany izao no efa voasokajy ho voalohany amin’ny renivohitra maloto indrindra eto Afrika ary faha 3 maneran-tany, raha ny tarehimarika iraisampirenena nivoaka farany fantatry ny mpanara-baovao rehetra. Lasa olana fototr’Antananarivo, araka izany, ny fako misavovona. Teo moa ny savorovoro mikasika ny fanefana ny karaman’ireo mpiasa miandraikitra izay resaka fako izay eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Efa milamina tanteraka ve ny mikasika an’iny? Efa misy ve ny vahaolana maharitra hitan’ny mpitantana miasa eo amin’izao fotoana izao mikasika azy io sa hoe tsy hiasako saina fa izaho vonjimaika ihany no eto? Misy fokontany zanak’Ikalahafa ve ka ny sasany vita ihany ny manala ny fako ao aminy fa ny an’ny sasany toy ny hita teny Ankadifotsy teny hatramin’ny omaly, ohatra, mbola miparitaka hatreny an’arabe izay fako izay? Sao dia efa tokony hisy didim-pitondrana monisipaly havoaka hahafahana manatitra ireo fako tsy voaroaka hatramin’izao eny amin’ny fonenan’ilay ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo izay nametraka izay fanamby izay amin’izay na dia efa nametra-pialana aza izy mba ho hita eo raha tena ekeny tokoa ilay hoe Antananarivo tanànantsika?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap