airtel

Sosialy

17-nov-2023

FAKTIORAN-JIRON’NY JIRAMA

Midangana be, tsy arakaraka ny delestazy

Sample post image

Saika mikaikaika amin’ny hafitsoky ny orinasa JIRAMA avokoa ny ankamaroan’ny mponina eny amin’iny

17-nov-2023

distrikan’Atsimondrano iny. Miaina amin’ilay tombatombana hatrany mantsy ny JIRAMA amin’ny tahan’ny jiro lanin’ny isan-tokantrano isam-bolana rehefa tsy voaatitra ara-potoana ny releve izay tsy miankina amin’ny mpanjifa velively. Raha ny 10 Novambra teo no tokony ho farafanaterana izany ohatra dia ny 15 Novambra vao tonga ny faktiora izay tsy misy hadisoan’ny mpanjifa mihitsy. Vokany, tsy mitsaha-midangana ny vidin-jiro. Nisy tafakatra avo telo heny mihitsy ny vidin-jiron’ireo tokantrano sasany tamin’ity volana Novambra ity izay marihina fa tsy fahatsapan-tena avy amin’ny orinasa JIRAMA mihitsy. Izay voasoratra ao anatin’ny faktiora dia tsy maintsy aloha ary raha vantany vao tara ny fandoavana izany dia tapaka. Eo an-danin’izay anefa dia mbola mamely sy mahazo vahana hatrany ny delestazy. Vantany vao milatsaka ny ranon’orana dia tapaka ora iray raha kely ny jiro nefa tena amin’ny ora tokony handrahoana sakafo hariva sy hanarahan’ny mpanjifa vaovao. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA mba hanova ny fomba fiasany fa tena efa mankaleo ny mpanjifa tanteraka.
Pati
Legende : Terena ho tombatombana hatrany ny jiro lanin’ny isan-tokantrano anatin’ny faktioran’ny JIRAMA amin’izao !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap