airtel

Sosialy

03-oct-2024

Famahana ny olam-bahoaka ankehitriny

Hoentin’ny Fanjakana amin’ny kivonjivonjy tavan’andro sisa

Sample post image

Fihemorana fa tsy fandrosoana no hita eto Antananarivo, ary miseho amin’ny endriny maro.

03-oct-2024

Mihasarotra ny zava-drehetra, hany ka zary lasa ampiainina amin’ny kivonjivonjy tavanandro sisa ny mponina. Ny làlana tapitra potika notazanim-potsiny hatrizay fa rehefa akaiky propagandy lasa mandeha ny fihetsiketsehana, ny rano fisotro madio manahirana ka lasa fampiasana « bonbonnes » no fandaharan’asam-panjakana,… Hojerena akaiky daholo ireo toerana mila vonjy, ary hisy ny fanatsarana ny fifandraisana amin'ireo vahoaka eny ifotony mba hahomby kokoa, efa nitombo sy mbola hampitomboina ireo kamio,… hoy ny seraseram-panjakana. Dia raikitra ny fitsiditsidihana ataon’ireo tompon’andraikitra eny ambony toy ny natao teny Tsarahasina Ambohimangakely, Antsahameva, Ankatso nijery fandehan’ny fizarana rano amin’ny kamio. Dia lalaovina amin’ny hoe : nisaotra ny fitondram-panjakana ny vahoaka. Ny vina sy tsinjo lavitra tsy dia misy firy fa fitanisana sy resaka no betsaka raha tsy hilaza afatsy ny tetikasa Tana Water Free, izay hatramin’izao mbola eny ambony latabatra. Ny fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana moa mbola resaka hafa. Io iaraha-mahita io ny teleferika nitrosana 151 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely mihantona fotsiny eo, izay lasa fanesoana ny Malagasy hoe : izy tsy misitraka herinaratra ara-dalàna, tsy misotro rano, tsy manana asa,… fa ny Fanjakana mitrosa amin’ny zavatra tsy mamokatra. Hay ny mitanisa fa natao ho an’ny olona 300 000 ny fotodrafitrasa kanefa efa 3000 000 izao no eto fa moa mba tena nifanaraka tamin’izany ny politikam-pitantanana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap