airtel

Sosialy

07-août-2024

FAMATSIAN-DRANO AO ALASORA

Mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ny an’ny Ministra

Sample post image

Mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany ny nataon’Atoa Ministry

07-août-2024

ny rano ho an’ny mponin’Alasora nandritra ny fandalovany teny an-toerana efa-bolana lasa izay mikasika ny hametrahany siniben-drano ao an-tampon-tananan’Alasora. Hatreto mantsy raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia votsotra hatrany ireo appel d’offre indroa miantoana niantsoana ireo orinasa handray an-tanana ny antoka. Miditra amin’ny appel d’offre andiany fahatelo indray izao ireo tompon’andraikitra koa andrasana izay mety ho tohiny. Mbola ny kaominina Alasora hatrany noho izany no mamaha ny olan’ny mponina ao anatin’ireo Fokontany miisa roa dia Miadana sy Alasora izay ao anatin’ny faritra avo. Efa ho iray volana indray mantsy izao tsy nahazo rano intsony ireo mponina amin’ireo Fokontany miisa roa ireo raha mba nandeha ihany izany tamin’ny alina teo aloha. Voatery ny kamiao mpitatitra fakon’ny kaominina no hitaterana rano in-telo isan-kerinandro miainga avy eny Mandroseza noho izany no sady vatsiana solika. Miverina in-7 na in-8 isaky ny andro iray ilay kamiao mandritra izany mitatitra ny rano izay mameno citerne miato 3 na 5 m3 eo ho eo. Miandry izay vahaolana marina ho entin’ny Ministra araka izany ireo mponin’Alasora fa tena mahatsiaro mijaly rano tokoa.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap