airtel

Sosialy

02-août-2023

Sosialy

Fanajana ny zon’ny ankizy Mbola tsy laharam-pahamehana eto Madagasikara

Sample post image

Mbola tena ambany ny tahan’ny fanajana ny zon’ny ankizy ho antsika eto Madagasikara. Anisan’ny ahitana taratra

02-août-2023

izany ny resaka fanabeazana sy fahasalamana noho ny hakelezan’ny teti-bola natokan’ny fanjakana ho amin’izany. Mbola betsaka ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly noho izany raha tsy vitsy ihany koa ireo tsy afaka mitsabo tena ara-dalana hany ka hanaovana tolo-tanana etsy sy eroa ho an’ireo tena voa mafy na koa miandry ireo karazana hetsika ara-pahasalamana maro samihafa. Ny tobim-pitsaboana fototra rahateo mbola handoavam-bola hatrany eny fa na dia ho an’ireo tena sahirana aza. Mbola tsy tanteraka ihany koa hatreto ilay fampianarana maimaim-poana eny anivon’ny sekolim-panjakana fa resabe fotsiny no betsaka…Izany indrindra no antom-pisia’ilay tetikasa izay tanterahan'ny eo anivon'ny CCOC ao amin'ny kaominina Tsiafahy sy Ambohidratrimo ary ao amin'ny firaisana faha 4 eto Antananarivo renivohitra.Tanjon'ny tetikasa ny hahafahana mijery fomba entina mametraka teti-bola mifandraika amin'izay fampanajana ny zon'ny ankizy izay eo anivon'ireo kaominina miisa telo ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona hanampy ny fampanajana ny zon’ny ankizy ny CCOC !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap