airtel

Sosialy

18-juin-2024

FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA

Nanohana ireo mpanome an-tsitrapo ny Star

Sample post image

Nanohana akaiky ireo mpanome ra an-tsitrapo ny orinasa Star.Niara-niasa tamin’ny

18-juin-2024

Centre régional de transfusion de Sanguine Analamanga” tao amin’ny CHU JRA Ampefiloha izy ireo tamin’ny datin’ny 14 Jona lasa teo ary nanolotra zava-pisotro mamy ho an’ireo tonga teny an-toerana tamin’io andro io. Ankoatra izay dia mpiasan’ny orinasa STAR amin’ny toerana samihafa ihany koa no nandray anjara an-tsitrapo nanome rà tamin’ny toeram-piasàna samihafa toy ny teny amin’ny foibe, ny masoivohon'Andranomahery, ny masoivoho Tanjombato, ny masoivoho Morondava, ny masoivoho Toliara ary ny any Antsirabe izay ozinina mpamokatra labiera, sampana lojistikla ary MALTO. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo toeram-pitsaboana sy hopitaly teny an-toerana nafahana nanantanterahana izany. Zava-dehibe ho an’ny STAR ny fanohanana ny mpanome rà entina hanatsàrana ny fandraisana an-tanana ireo marary amin’ireo toeram-pitsaboana ireo. Tsiahivina moa fa paosin-dra miisa 120 isan’andro raha kely no ilain’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hanavotana ireo vehivavy saro-piterahana sy ireo olona lasibatry ny lozam-pifamoivoizana ary ireo marary mafy mila fandidiana.
Pati
Legende : Nanome ra ihany koa ny mpiasan’ny orinasa Star !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap