airtel

Sosialy

26-sept-2024

Fanatobiana fako etsy Andralanitra

Tsy maintsy hizorana ny fanakatonana!

Sample post image

Nijery ifotony ny zava-misy eny amin’ny fanatobiana fako etsy Andralanitra omaly

26-sept-2024

ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Ny tale jeneraly eo anivon’ny SMA na ny sampan-draharaha misahana ny fako eto Antananarivo, ny Kolonely Razafimanahaka Tiana, no nanazava ny andinindininy momba izany teny an-toerana. Tanjona, hoy ny fanazavany, ny hanaovana an’Andralanitra hanaraka ny fepetra fitantanana fako, izay miainga amin’ny maodely japoney ary iaraha-miasa amin’ny tetikasa japoney na JICA. Mbola tsy tontosa izany, hoy izy, fa misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny rano ho entina manatanteraka izany. Ny JICA no manome ny fahaizana ara-tekinika ary izy ireo ihany koa no miantoka ny fanatanterahana am-boalohany sy ny fanomanana ireo mpiasa eo anivon’ny SMA. Miantoka ny fampiasana ny fitaovana entina manombana sy manomboka ny fifehezana ilay tekinika hanaovana azy. Ny minisiteran’ny rano na MEH dia hamatsy ny fanatanterahana azy hatramin’ny farany. Misy ny anjara entin’ny JICA sy isika malagasy hahatongavana amin’ny fahafaha-manitatra ny fotoana azo ampiasana an’Andralanitra, hoy hatrany ny tenany. Ny taona 1966 moa no natsangana ity tobin’Andralanitra ity. Mila mametraka paikady mahomby anaty fotoana fohy isika, hoy kosa ny filohan’ny delegasionina manokana eto Antananarivo na PDS, Harilala Ramanantsoa, handrindrana sy handaminana ny fako. Isaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka satria hita ny ezaka sy vokatra ao anatin’izany fiaraha-miasa amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra na CUA izany, hoy izy. Misy ny tetikasa tena lehibe ary ho tanterahina anaty fotoana fohy mba hampanarahana ny fenitra ity Andralanitra ity. Tsy maintsy hizorana ny fanakatonana ity fanatobiana fako ity tsinona. Tena anisan’ny votoatin’asan’ny kaominin’Antananarivo ny fandrindrana ny fako satria mikasika ny fahasalaman’ny mponina eto Antananarivo, ny tontolo iainana eto Antananarivo, ny fahadiovana eto Antananarivo renivohitra. Ho ampahafantarina antsika tsy ho ela izay tetikasa tena lehibe ho tanterahina ao anatin’ny 2 taona izay. Efa miasa mafy ny CUA, amin’ny alalan’ny SMA izay mandamina sy mandrindra ny fitantanana an’Andralanitra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Misy ireo fako mora lo na organika hita ety fa betsaka koa ireo fako plastika izay tena manimba tontolo iainana ka hanentanana sahady ny mponin’Antananarivo izany mba hanavaka ny fakony, hoy hatrany ny PDS.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap