Manimba ity fantson-drano ity sy manapaka ny rano eto izany ka mampijaly ny vahoaka ety an-toerana, hoy ny mpitarika fikambanana iray eny an-toerana, Lova Andrianjaka, nisolo tena ireo vahoaka. Amin’ny 5 ora hariva ilay kamiao no miditra eto ary amin’ny 8 alina vao afaka, hoy izy. Tapaka daholo izay tsy ho tapaka ka mampanontany hoe moa ve tsy misy lalàna mametra ny lanjan’ny fiara tokony hiditra amin’ny toerana tahaka itony satria dia iaraha-mahita fa tsy tokony ho atonona izay refy sy lanja izany mihitsy izao toerana izao? Entan’ny sinoa no entin’io kamiao io miditra eto kanefa tsy raharahian-drizareo akory ilay fantson-drano rehefa potika fa ny vahoaka ety ihany no manamboatra azy rehefa sabotsy maraina toy izao. Manao antso avo izahay mikasika ireto kamiaona sinoa miditra aty ireto. Tenenina amin’ny fahasimbana ry zareo dia milaza fa tsy mahatapaka fa mpanofa fotsiny ihany. Isak’izay zoma izay izany dia tapaka adin’ny 3 foana ity lalàna ity. Mitohy amin’ny fahatapahan-drano, ankoatran’ny delestazy. Nanapa-kevitra ny fokonolona fa hibahana ity lalana miditra ny abatoara ity raha mbola miditra eto ireo kamiao ireo. Mangataka ny fandraisan’andraikitry ny kaominina aloha izahay. Azo idiran’ny kamiao mihoatran’ny 9 taonina ve aty? Zoma im-pito teo izao ireo no niditra teto ary manimba zavatra foana isaky ny mandalo, hoy hatrany ny tenany. Izahay izao lasa tsy misy karama foana rehefa sabotsy amin’ilay rano tapaka noho io zava-misy io, hoy kosa ny ramatoa mpantsaka rano iray eny an-toerana, Hoby Rafanomezantsoa.
J. Mirija
Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana
Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy
Eo amin’ny 9,5% ny fiakarana eo amin’ny tontolon’ny fambolena andrandrain’ny Fanjakana Malagasy