airtel

Sosialy

27-juin-2024

Fiainam-bahoaka

Vita ny fetifety, miha zava-doza ny fahasahiranana miandry…

Sample post image

Vita izay ny fety, fa hiverina amin’ny fiainana andavanandro amin’izay ny Malagasy manomboka eto.

27-juin-2024

Adino tao anatin’ny andro vitsy ny fahantrana sy ny fahasahiranana satria mba samy niezaka nifety tamin’ny kely nananana ny ankamaroan’ny tokantrano, ary mba nanao izay tratry ny heriny indrindra fa teo amin’ny fampifaliana ireo kilonga. Manomboka eto kosa, miverina tanteraka ao anatin’ny ady sy tolona izay ny eo tsy milamina, kanefa ny ambana hafa efa mandondona sahady. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe izao ho an’ny mpianatra amin’ny ankampobeny, saingy fotoana mafy ho an’ny Raiamandrenin’ny mpianatra, izay tsy maintsy misiki-ponitra hampianaran-janaka. Ny fisoratana anarana tsy maintsy hatao, kanefa miakatra sy miha midangana hatrany izany satria betsaka ny sekoly nampiakatra saram-pianarana, ary eo ihany koa ireo mametra ny fe-potoana ahafahana manao ny fisoratana anarana. Manampy trotraka izany ny fitaovana izay tsy maintsy vidiana, ary betsaka amin’ireo sekoly tsy miankina ihany koa aza no mametra sy mamaritra ny lentan’ny fitaovana vidiana mba hitovian’ny mpianatra lenta. Mafy ho an’ny tokantrano Malagasy izany, saingy adidy tsy maintsy hatao mba tsy hahabado ny taranaka fara aman-dimby. Ny 5% amin’ny Raiamandreny nanaovana fanadihadiana no hany nahavita manontolo ny fampitaovana ho an’ny mpianatra hatreto, raha ny vaovao sy fanadihadiana efa nentina teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana vao andro vitsy. Ny tontolon’ny fampianarana izany, fa mbola loza mitatao ara-tsosialy, ary tsy maintsy ho avy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, izay hihatra manomboka amin’ity enim-bolana faharoan’ny taona 2024 ity. Lalaovina any amin’ny hoe : 200Ar fotsiny, tsy mbola ny vidiny tena izy io, tafiditra ao anatin’ny politika hiarovana ny tontolo iainana,… saingy na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany ara-tsosialy io, indrindra fa eo amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ankampobeny. Vao mandeha ny resaka fa hiakatra ny vidin-tsolika dia efa mandeha ny kajikajy samihafa. Mba manana vahaolana amin’izany ve ny Fanjakana ? Tsy dia azo antenaina firy, ary ireny niaraha-nahita ireny ny petatoko rehefa nisy ny fampiakarana vidin-tsolika izay nidangana indrindra tao anatin’ny 64 taona nanomboka ny 11 jolay 2022 izay nahatratra 1500Ar isaky ny litatra. Bus maoderina 1000 ho tonga mialohan’ny faran’ny taona no nolazaina fa vahaolana ara-pitaterana, saingy nahilika tany amin’ny mpitatitra tsy nanao kaomandy indray ny tsy fahombiazan’ny vahaolana manidintsidina. Amin’ity holazaina indray hoe : efa io ny teleferika ho vahaolana ? 600Ar aza mampikolay ny maro dia hanao ahoana ny 3000Ar ? Dia samy mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana eto izany aloha hatreto e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap