airtel

Sosialy

21-mars-2025

FIAINAM-PIRENENA SY NY FIVAVAHANA

Tena misy hifandraisany !

Sample post image

Tena misy hifandraisany ny fiainam-pirenena sy ny fivavahana.

21-mars-2025

Toraka izany koa ny finoana sy ny fanaovana ny fahamarinana. Rehefa tena voavolavolan’ny finoana sy ny fivavahana mantsy ny olona iray dia tsy ho sarotra aminy ny handala ny fahamarinana ary hampihatra izany eo amin’ny fiainany manontolo. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena izay hitondrana sy hitantanana vahoaka hatrany amin’ny 26 tapitrisa ho an’ny mpitondra ho antsika eto Madagasikara. Foana ho azy ny fitiavantena hameno paosy fotsiny. Toraka izany ny fitiavan-tseza izay hahavitana manafaka ain’olona mihitsy ho an’ny sasany raha eo ihany koa ny fijerena ny tombontsoan’ny tena manokana. Fototry ny fandrosoan’ny firenena iray ihany koa ny finoana. Rehefa mino mantsy ny mpitondra sy ireo olona ao aminy dia mahavita zavatra ary misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena mivantana izany. Mino fa handresy na inona na inona olana sedraina… Voakasik’io avokoa na finoana an’ilay mpahary na ny finoana nentim-paharazana izay samy manana ny lanjany sy ny toerany. Fehiny, tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena ny fivavahana sy ny finoana ary ny fanaovana ny fahamarinana noho izany samy tsy misy tokony hatao tsinontsinona. Mba ahitana taratra izany ve eto amintsika. Mpino sy milaza ho mpandala ny fahamarinana avokoa anefa ny ankamaroan’ny mpitondra.
Pati
Legende : Mamotika ny firenena ny tsy fahaizana mijery ny mpiara-belona !

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny

Card image cap
26-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny

Card image cap
24-mars-2025

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana

Card image cap
24-mars-2025

Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana

Card image cap
24-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny

Card image cap