airtel

Sosialy

19-déc-2023

Fiangonana MRE

Mizara fanampiana hoan’ireo niangaran’ny vintana

Sample post image

Hanao tohivakana mandritra ity herinandro vaovao mialohan’ny hankalazana ny

19-déc-2023

fetin’ny Noely ity ny fijerena ireo niangaran’ny vintana eto an-drenivohitra. Lohalaharana amin’ireny ireo kamboty sy ireo mananontena mba hahatanteraka ilay teny filamatra manao hoe : fetin’ny Noely, fotoan’ny fifampizarana. Samy manana ny fandaharam-potoanany avokoa ireo karazana fikambanana sy kaominina ary fiangonana hanatontosa izany. Ho an’ny fiangonana MRE manokana izay manana ny toeram-piasany etsy Antaninandro dia fantatra fa mbola mitohy amin’ity herinandro ity ny fandraisana ireo kilalao na fanampiana avy amin’ireo nahatsiaro ho notahian’Andriamanitra omena ireny niangaran’ny vintana ireny. Tsy hanavahana finoana izany fa raisina avokoa izay rehetra vonona. Amin’ny Sabotsy 23 Desambra ho avy izao kosa aorian’ny fotoam-bavaka amin’ny 02 ora folakandro no hidina eny an-dalambe hizara izany fanampiana izany izy ireo ka ho an’ireo Reny mananontena dia hisy ny valopy manokana natokana ho azy ireny raha kilalao kosa ny an’ireo kilonga madinika. Izany no hatao moa dia hahatanteraka ilay voasoratra ao amin’ny Baiboly manao hoe : Izay hataonareo amin’ireny madinika ireny dia mba hataonareo Amiko ihany koa hoy Jesosy.
Pati
Legende : Tsy ho diso anjara ny ety ambany tonelina Analakely ety !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap