airtel

Sosialy

16-oct-2024

Fidangan’ny vidim-piainana

Tsy ampy hamidy laokan’ny ankohonana iray ny 10 000Ar…

Sample post image

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

16-oct-2024

Manampy trotraka izany ny fidangan’ny vidim-piainana izay tena mampiteny ny moana tokoa. Tsy mahavita na inona na inona intsony mantsy ny 10.000 Ar hamidy laoka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4 mianaka na dia te-hihinana tsaratsara aza. Efa mahatratra 5.000 Ar amin’izao ny fahefany amin’ny henom’omby eny an-tsena ho an’ireo karazany mba tsaratsara. Efa mahatratra 1500 Ar ihany koa ny iray kapoaka amin’ny tsaramaso lena koa raha mividy 2 kapoaka dia efa 2.000 Ar sisa ny ambim-bola. Ity farany indray no hifandroritana hividianana menaka sy voatabia ary tongolo miampy fanampina tsiro kely dia tapitra tanteraka. Tsy tafiditra ao anatin’izany ny saribao sy ny vary. Tsy mahavita ny ankohonana iray intsony noho izany amin’izao raha tsy 20.000 Ar nefa mbola mihafibe izany. Tsy maintsy tsinjaraina hividianana mofogasy kely sy kafe maraina ary vary sy saribao indray mantsy ny 10.000 Ar ambiny raha mbola hifampitadiavana ny ody ambavafon’ny mpianatra…. Raha fehezina dia zara raha miaina sisa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy fa tena difotry ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Zara raha mihinana hena fahefany sisa ny ankohonana iray rehefa mividy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap