airtel

Sosialy

04-sept-2024

FIHARIANA

«Tsy ho tafavoaka ianao raha tsy manana ny maha izy azy anao»

Sample post image

Tsy mahay mihary na manao «investissement» isika malagasy, hoy ny mpanabe nandritry ny 47 taona

04-sept-2024

sady mpampianatra mpikaroka, Geneviève Ramakavelo. Tokony hampianarana, hoy izy, izany hoe inona no atao hoe mihary na «entreprendre»? Tsy any amin’ny fitantanana na «Gestion» ihany no natao hianarana izany. Firy amin’ireo olona manao «Gestion» ireo izao no mahavita manangana orinasa ho azy? Tokony mamorona asa ny gasy! Heverintsika gasy hoe misy asa ambany. Betsaka izao no mamboly dia miteny hoe tsy hita fa mamboly izahay. Fihariana nefa izany fambolena izany fa nampianarina ve ilay gasy hoe fihariana io? Ny sasany indray miteny hoe izahay izao manao fiarakaretsaka na «taxi». Fihariana ny «taxi». Miheritreritra ve ianao hoe ahoana no fitantanana izany mitondra fiarakaretsaka izany? Raha herintaona ianao no nitondrana «taxi», tokony manana ny anao ianao avy eo raha tena fihariana no hanaovanao azy. Raha olona manana mari-pahaizana «Maitrise en Gestion» no manao «taxi», tokony hanana «taxi» azy manokana afaka herintaona! Nampianarina hitantana tsinona izany olona izany. ilay rafi-tsaina na ny sain’ny gasy mihitsy no tsy mipetraka. Izao tontolo izao milaza hoe «tout se joue avant 5 ans.» na mialohan’ny faha 6 taonan’ny olombelona ny famolavolana rehetra. Tsy omentsika lojika nefa ny zanantsika mialohan’izay 6 taona izay. Mandeha «préscolaire» na fanomanana hidirana an-tsekoly izy dia rafi-tsaina no omena azy saingy rafi-tsaina amin’ny teny frantsay ny an’ny sasany. Iny zaza iny nefa tao am-bohoka, teny malagasy no henony. Manodidina azy, teny malagasy no henony. Tokony lojika omena azy izany ny teny gasy manomboka eo amin’ny faha 2 taonany izay maha izy azy. Eo amin’io faha 2 taonany io izy no ampilalaovinao sy ampiresahinao. Eo amin’ny 2 ka hatramin’ny 6 taona, izay no tena mipetraka daholo ny rafi-tsainy rehetra. Ny antsika tsy mipetraka satria mivadibadika ny zavatra henon’ilay zaza. Teny malagasy daholo dia avy eo mivadika teny frantsay. Tsara ataontsika rafi-tsaina mandra-pahatonga ny faha 5 taona ny teny malagasy dia eo vao miditra amina teny hafa. Toy ny tenim-pirenena rehetra io teny hafa io na mpibata entana aza mahay an’io rehefa mizatra. Any Antsiranana izao mahay teny italianina sy portogey. Eny am-pandehanana no hianarany an’iny. Ny ao Nosy be mahay teny espaniolina sy italianina na anglisy. Tsy ampianarina any am-pianarana izany. Rehefa te hianatra teny vahiny izany ianao dia mahay fa tsy misy hoe sarotra izany. Ny rafi-tsainao no apetraho amin’ny teny malagasy! Ny tiako marihina indrindra, hoy hatrany ny tenany, dia tsy ho tafavoaka ianao raha tsy manana ny maha izy azy na «identité» anao.
J. Mirija
(Sary fanehoana) 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap