airtel

Sosialy

09-août-2024

Fikambanana « Maiha » sy « Beau gosse en action »

Mampianatra maimaimpoana ny olona hanamboatra lava-drano

Sample post image

Mampianatra ny olona maimaim-poana hanamboatra lava-drano ny Fikambanana MAIHA

09-août-2024

na ny Malagasy Iray Hasina sy ny Beau Gosse en Action. Mitombo isa hatrany mantsy ireo olona mitaraina vokatry ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika na ny eto an-drenivohitra izany na ny amin’ny Faritra. Eo an-danin’izay vao ny 50%-n’ny mponina monja no misitraka izany manerana ny Nosy. Etsy amin’ny Fier Mada andiany faha-25 tanterahina etsy amin’ny Maki Andohatapenaka no ahitana azy ireo hatramin’ny Alahady 11 Aogositra ho avy izao, raha araka ny fanazavan-dRandriamandroso Feno Hasina Deric, filoha mpanorina ny Beau Gosse en Action. Faran’izay mora sy tsotra raha ny nambarany ny manamboatra lava-drano na ho an’ny toerana iva sy tery toy ny eny Ambodin’Isotry aza. Ankoatra izay dia hampahafantarin’izy ireo eny an-toerana ihany koa ny fomba fananganana fatana amin’ny alalan’ny fampiasana ireny menaka efa tsy miasa intsony na huille de vidange ireny. Eny amin’ny Nect’Art Tsiazotafo sy eny Anosibe Volaniray moa no toerana ahitana azy ireo amin’ny andavanandro.
Pati
Legende : Mora sy tsotra ny manamboatra lava-drano tahaka izao hoy ny fikambanana Beau Gosse en Action !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap