airtel

Sosialy

23-déc-2024

Fikambanan’ireo Maintimolaly Indonesia

Nanampy ny Akany Avoko, hitondra anjara biriky ho an’ny Firenena

Sample post image

Mitondra anjara biriky tandrify azy ho an’ny Firenena ny Fikambanana Maintimolaly Indonesie na

23-déc-2024

IAI (Ikatan Alumni Indonesia), izay ivondronan’ireo Mpianatra maintimolaly nandrato fianarana sy fiofanana tany samihafa Indonesie. Amin’izao ankatoky ny noely izao, nisafidy ny Ankany Avoko Ambohitratrimo nanaovana fotoam-bavaka niarahana tamin’ireo ankizy tezaina sy ireo mpanabe ao an-toerana ny Fikambanana omaly alahady 22 desambra sady nitondra izay voatsirambin’ny tanany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy toy dia ny avy amin’ny Masoivohon’i Indonesie mazava ho azy, ny Madagascar Oil. Nanolotra Fihirana, vary, ary menaka izay niainga tamin’ny hetahetan’ity Akany izay eo ambany Fiahiahian’ny FFPM ity. Teo ihany koa ny fanolorana mofo mamy sy vatomamy ho fiaraha-mifaly tamin’ny ankizin’ny Akany Avoko, izay nomarihin’ny Solontenan’ny mpitantana fa eo amin’ny 135 eo izy ireo ka ny vehivavy eny Ambohitratrimo ary ny lehilahy eny Bevalala, fa solontena ihany ny omaly satria betsaka ireo lasa nody noho ny vaninandro fety. « Efa ela no nijoroana, misy fotoana ny zava-drehetra ka ataoko fa ao anatin’ny fotoana tokony hijoroana izao indrindra eo anatrehan’ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka indrindra fa amin’ny Ankizy. Amin’ny maha mpianatra dia ny ankizy madinika sy ny mpianatra no itodihanay voalohany. Mahatsapa izahay fa misy ny anjara biriky tokony hoentinay izay tsy voatery ho zavatra ngezabe fa erikerika mahatondra-drano », hoy hatrany Atoa Tsiry Harison Rakotomanga. Ankoatra izany, azo lazaina ho singa lehibe eo amin’ny diplaomasia na « instrument de la diplomasie Malagasy-Indonesie » ny Fikambanana, ka izany indrindra no antony hijoroana, tsy resaka fanolorana fanomezana ihany, fa betsaka ireo mpikambana any anaty rafitra samihafa toy ny Minisitera, ka ny Filoha teo aloha izao efa minisitra, betsaka ireo misandrahaka any amin’ny Minisitera sy rafitra samihafa. Miezaka mitady fomba sy herijika hoentina mifanosika amin-dry zareo Indonezianina ka ny fampianarana, ny kolontsaina,... izao no isan’ny efa hita ho misongadina, hoy hatrany ny Filohan’ny IAI. Solontena ihany izy ireo ho an’ny omaly fa manodidina ny 200 ny mpikambana. Tsetsetsa tsy aritra kosa no ilazana fa isan’ny nitondra tan-tsoroka lehibe ho an’ny tantsaha toy ny any Betafo amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro ry zareo Indonezianina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Hita mibaribary ny tsy fahaizantsika malagasy, indrindra, ny mpanohitra, ny atao hoe politika tamin’ity taona 2024 ity,

Card image cap
26-déc-2024

Amin'izao fotoana izao, dia tsy vitsy ireo orinasa tsy miankina izay manao tolotra miavaka mba hatao fanomezana

Card image cap
24-déc-2024

Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy Andohatapenaka omaly Alatsinainy 23 Desambra

Card image cap