nisy ilay ady tany ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny Alatsinainy teo izay namoahan’ireo be sandry ny entan’ireo fianakaviana miisa 20 tao an-toerana teny an-tokontany mantsy ka namefeny ilay tanana dia samy efa niparitaka niala tao avokoa ireo iretsy voalohany. Ny sasany lasa any amin’ny fianakaviany, raha voatery nanofa trano tsy fidiny ihany koa ny sasany. Vaovao farany voaray omaly hariva ny fahafantarana fa hiakatra fitsarana anio Zoma 19 Aprily indray ny raharaha. Nisy mantsy ny didy efa nivoaka hoy ny Renim-pianakaviana tompon-trano iray fa mbola tsy azo harodana aloha ny tranon’izy ireo mandrapisian’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana vaovao. Tsiahivina moa fa tanim-panjakana mirefy 2 ara nangatahiny io nanamboaran’ireo olona miisa 5 tompony ireo trano misy ireo fianakaviana 20 ireo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Legende : Mbola mifefy tahaka izao ilay tanana hatramin’ny omaly !
Hiara-kiasa hijery ireo fianakaviana lasibatry ny loza voajanahary ny Birao nasionaly