airtel

Sosialy

02-juil-2024

FITSOAHANA HOFANTRANON’OLONA

Tafakatra 18 isam-bolana ny fitarainana voarain’ny Fokontany

Sample post image

Mihasahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Isaky ny faran’ny volana fiandohan’ny

02-juil-2024

volana tahaka izao no tena ahitana taratra izany noho ireo karazana trosa tsy maintsy hefaina. Anisan’ireny ny vidin-jiron’ny JIRAMA, ny hofantran’olona….Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa mitombo isan’andro ny fitarainana voarain’ny Fokontany. Saika efa mitady fika tsy handoavana izany avokoa mantsy ireo mpanofa trano izay efa mahatratra 3 volana ny an’ny sasany. Misy ireo mody mibata entana dia lasa ary milaza fa handefa MVola kinanjo any dia manjavona, raha ny fanadihadiana natao. Misy indray ireo miandry ny mpiray tanana hatory amin’ny alina, indrindra fa ny tompon-trano ka raha vantany vao tena mangina ny tanana dia mibata entana an-tsokosoko. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina sefom-pokontany iray teny Andranonahoatra Itaosy teny dia mahatratra 18 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’izy ireo mahakasika izany, ankoatra ny adin’ny mpivady izay efa tena mandrera-tsaina ihany koa. Ankoatra ny fifamonoana mantsy dia mampitaraina sy tsy ahitan’ny mpiray tanana torimaso koa ihany koa ny teny ratsy tsy fihainon’ny olom-pady hataon’izy ireny izay zary asa goavana ho an’ireo sefom-pokontany.
Pati
Legende : Misy ireo mitaona entana tahaka izao dia milaza handefa Mvola kinanjo !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap